Hanaraka anao aho ry Tompo na aiza na aiza halehanao”Lk 9,58

Amin'ny finoana an'i Kristy nitsangan-ko velona no anambarana amintsika mianakavy fa nodimandry i Sr Germaine Nahita-
Fikambanana "Fo Madion'i Maria ny Diégo-Suarez na CIM" rehefa nivahiny 74 taona teto an-tany ary 49 taona naha-relijiozy

 

TANTARAM-PIAINAN ‘ I SR GERMAINE NAHITA

 

“Hanaraka Anao aho, Jesoa na aiza na aiza halehanao ” Lk9,57

 

Ny fahazazany :

Sr Germaine Nahita dia teraka tamin’ ny  6 Juillet 1942 tao Soanierana-Ivongo, zanak’i Martial Alfred sy Sarama Cecilia samy efa maty. 74 taona izy ary 49 taona ny naharelijiozy izy no izao nandao antsika mianakavy izao. Valo mianadahy izy ireo ary izy no zaza fahaefatra. Anisan’ny iray tam-po aminy i Frère Jean de Dieu, ao amin’ny Fikambanan-dry Frera diosezianina miasa ao Antalaha, ny renin’i Sr Gyslaine ary i Père Raphael Menavoara, diosezin’i Fenerive-est.   

Inspecteur tao amin’ny faritra Soanierana-Ivongo ny rain’i Sr Germaine tamin’ny fotoan’androny ary niara-niasa akaiky tamin’i Mgr Jean Wolff. Izy no anisan’ny nikolokolo ny finoana tamin’iny faritra iny. Matetika mandalo ao Fotsialanana i Mgr Jean Wolff ary tamin’ny alalan’ny fifaneraseran’izy mianaka no nampitsiry ny vocation tao aminy.   

Ny fianarany sy ny fiofanana maha-relijiozy

Tamin’ny taona 1954 no nidirana tamin’ny juvenat teto Notre Dame, 12 taona izy tamin’izay. Naterin’ny babany tany Antalaha izy tamin’izay ary dia vity nanomboka tao Soanierana ka hatrany Antalaha no nataon’izy mianaka. Naharitra 10 taona tao amin’ny juvénat izy ka sady nianatra no nanaraka ny formation juvenat. Niditra novisy tao Anivorano tamin’ny 7 Mars 1965 izy sy Sr Margueritte Volatiana ka i Mère Marcelline no Maitresse de novicesn’izy mirahavavy. Tamin’ny 5 Marsa 1967 no nanaovan’izy ireo ny voady voalohany ary ny 27 desambra 1976  ny voady farany tao amin’ny Chapelle Bon Pasteur.

Ireo toerana niasany sy ny asa niandraiketany :

Bon Pasteur : Directrice

Ambilobe : Directrice

Fianarantsoa : nanaraka formation pédagogique nandritra ny 2 taona

Bon Pasteur : directrice

Ambanja : nianatra

Notre Dame : Nampianatra, : niandraikitra Ibalita

Fenerive-est : Directrice

Notre-Dame : Directrice

Ambilobe :Directrice

Bon Pasteur : Nianatra tany amin’ny Université

Notre Dame : Manomana maitrise  

Bon Pasteur : Anyma

Notre Dame : Régionale, Anyma

Anivorano : Directrice

Sirama : Directrice

Andravoahangy : Coordinatrice Centre Lovasoa Antamponakatso,

Diplôme nananany  : Licence et maitrise en lettre française

 Ny talenta sy toetra tsara nananany:

-Miaina ny finoana izy indrindra teo amin’ny fiatrehany ny fotoan-tsarotra nodiaviny. Olon’ny vavaka izy ary manana fahatokisana tanteraka an’Andriamanitra sy i Jesoa Kristy ilay nanokany tena.

-Tsara feo sady tia mihira  i Sr Germaine ary anisan’ny nampiavaka ny fianakaviany ihany koa izany fahaizana mihira izany.

-Raha amin’ny resaka andraikitra indray no resahina dia : mavitrika izy, tia miasa, dynamique, mentitry amin’ny asa ataony.

-Manan-kevitra izy ary mahita soso-kevitra mahasoa hanatsaran-javatra hatrany. Vehivavy be herim-po izy, tiany ny hampanjary ny Fikambanana ka nataony amin’ny fony tokoa ny asa na adidy nankinina taminy.  (oh : directrice, responsable pensionnaire, famangiana marary sy fanaterana komonio…..)

-Efa Secretaire Generalen’ny Fikambanana izy.

-Te-hanana ny tsara izy eo amin’ny fikambanana ka mazoto manitsy ny tanora (na masera na juvéniste) . “hanao akory eky ny avenirn’ny fikambanana raha banjenina karaha io irô”hoy ny teny famerimberiny matetika. 

-Olo-mahitsy izy ka tsy misalasala milaza izay heveriny fa marina. Indraindray misy tsy mahazaka io famoahany hevitra directe io.

-Mangoraka an’ireo olona avahan’ny fiaraha-monina izy ary tia manampy ny hafa.

-Mahakolokolo ny olona amin’ny sehatra isan-karazany izy toy ny zaza beazina, ny firohotana, ny fianakaviany…… mba hananan’izy ireo fiainana mendrika ny maha-zanak’Andriamanitra.

Farany, anisan’ny aretina nitaiza azy ny kohaka saingy nihombo izany teo am-panantanterahany ny asa maha-tompon’andraikitra voalohany azy tao amin’ny Centre Lovasoa  Antamponakatso Antananarivo ka nahatonga azy niditra hopitaly tao Ivato Antananarivo tamin’ny taona lasa.

Mba hahafahana mijery akaiky ny fahasalamany dia nafindra taty Diégo izy ary dia nipetraka tao amin’ny Cté Notre Dame. Efa mahakarakara tena izy izao nindaosin’ny fahafatesana izao satria sendra hamana rano tao an-dakozia izy no lavo tao tokony ho tamin’ny 8h 40 tany ho any.  Nentina tany amin’ny PolyClinique Next izy saingy tsy voatazona intsony ny ainy ka dia lasa nody any amin’ny Ray izay narahiny izy araky ny devise-ny hoe “hanaraka anao aho ry Tompo na aiza na aiza halehanao”Lk9,58

 

Soeur Germaine, banga ny toerana nialanao.

Mivavaha ho an’ny Fikambanantsika. Mivavaka ho anao izahay.

Mandria am-piadanana.

 

30/09/2016

Laissez votre opinion

Auteur*

E-mail*

url

Commentaires*

Code*