21 Aogositra Victoire Rasoamanarivo Olontsambatra

Malagasy renim-pianakaviana iray rà amintsika ankalazaina androany dia lahika nivelona teto anivontsika izay nahatsapa fa tsy maintsy miasa, mivelona ny finoana ary izay ny tena maha-Kristianina atsika

 Aoka isika tsy hatoritory fotsiny amin'izao fa tsy maintsy miatrika ny fiainana, izany no fanambarana ny fiekem-pinoana sy ny tena finoana ho antsika. Manana ohatra velona isika ao amin'ny testamenta taloha fa amin'izao andro  ianantsika izao dia manana ohatra velona isika anisan'izany i Olontsambatra Victoire Rasoamanarivo ankalazain'ny Eglizy eto Madagasikara androany ka hanirahany atsika rehetra :
- hiezaka amin'ny fitiavam-bavaka sy fanamasin-tena
- hahay mitsinjo ireo mahantra fa indrindra amin'izao taona jobilin'ny Famindram-po izao,
- ho lahika mandray andraikitra amin'ny fiangonana na ny mpitondra na ny entina

Mivavaka isika miaraka amin'i olontsambatra Victoire Rasoamanarivo ho an'ny tanindrazantsika Madagasikara.

“ONENA IZY NAHITA ITY VAHOAKA NAFOY TOY NY ONDRY TSY MISY MPIANDRY (Mk 6,34)
“Ny very hotadiaviko; ny nania haveriko; ny naratra hotsaboiko, ary ny marary hohatanjahiko, fa ny matavy sy ny matanjaka hokolokoloiko. Samy handrasako aradrariny avy izy ireo (EZEKIELA 34,15-16)

Ireo teny voalaza ireo zay nanainga ny Eveka malagasy Ray aman-dRenintsika izay nivory tsy ara-potoana,handinika ity fiainam-pirenentsika ity. Tahaka an’i Ezekiela Mpaminany Masina sy azo lazaina fa niainan'i Victoire Rasoamanarivo koa, nahay nijery ny fiainan’ny vahoaka, mampahonena toy ny ondry tsy misy mpiahy, vokatry ny fifandimbiasan’ny fitondrana izay samy tsy nahay naka lesona tamin’ireo zavatra tsy nety nataon’ireo mpitondra nifanesy ka nahatonga izao fahavoazana izao.
Koa misarika ny saintsika izy ireo tsy hanadino ny tantara fa : ato anatin’ny fankalazana ny faha-56 taona nahazoana ny fahaleovan-tena isika, ary mbola namerimberina indray fa: “Fitiavan-Tanindrazana – Fahafahana – Fandrosoana” no tarigetram-piainana noraisina hatramin’ny voalohany.
Azo vakina eto amin'ny rohy ny tohin'ny taratasin'ny Eveka : http://www.dioceseantsiranana-oloraiky.com/1/upload/cem_vm_aout16.pdf

       
30/09/2016

Laissez votre opinion

Auteur*

E-mail*

url

Commentaires*

Code*