Fikambanana sy Firohotana

Fijoroana ho vavolombelona ny firotsahana amin'ny fikambanana na firohotana

Ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly dia fampiharana sy fanatanterahana ny Lahatr’Andriamanitra eo amin’ny sehatr’izao tontolo izao sy ny tantaran’ny olombelona. 

Amporisihina ianareo tanora mba hirotsaka amin'ny fikambanana masina na ny firohotana.

Hoy ny Konsily Vatikàna II :

« Ny kendren’ny Fiangonana amin’ny fanaovana asan’Apôstôly no kendren’ny Fikambanana, izany hoe : hitory Vaovao Mahafaly amin’ny olombelona, hanamasina azy, hanao izay haha-kristianina ny fomba fiheviny, mba hahafahany mampiditra ny hevitry ny Vaovao Mahafaly ao amin’ny Fikambanana isan-karazany, sy ny mpiara-miaina samihafa » (AA, 20, a).

Araka izany ny Fikambanana masina sy ny Firohotana ary ny Vondrom-bavaka dia sehatra handraisan’ny kristianina andraikitra amin’ny fampandrosoana ny fiainan’ny Fiangonana miaraka amin’ny Pretra sy ny Filankevitra Pastôraly.

Kendrena mandrakariva noho izany izy ireo mba hanaraka ny rafitra sy ny lamina apetraky ny Eveka eo amin’ny Diosezy.

 Fikambanana Masina dia vondrona kristianina vita Batemy mikatroka hanitatra ny Fanjakan’Andriamanitra amin’ny alàlan’ny fampiharana ny fivavahana sy ny Evanjely, manentana ny fon’ny tsirairay. Misy asa na ezaka iraisan’ny Mpikambana, nefa misy koa ny asa na ezaka ataon’ny isam-batan’olona.

Firohotana dia firaisan’ny sokajin’olona tsara sitrapo, araka ny sokajim-piainana samihafa, miara-mandinika ny zava-misy iainany, ka mikatroka entanin’ny Evanjely sy ny mpikatroka kristianina, hanitatra ny Fanjakan’Andriamanitra.

Araka ny hafatra sy fampianaran'i Eveka Mgr Benjamin Ramaroson matetika hoe : "Anisany làlana ho fijoroana vavolombelona ny fidirana fikambanana ka midira fikambanana mba ho Eglizy velona tokoa ny Eglizintsika"

F.E.T - Fivondronana Eokaristikan'ny Tanora

 

Fikambanana mampivondrona ny tanora te hiaina  ny fihainoana ny tenin’Andriamanitra sy fotoam-pahanginana mibanjina ny Vatana aman-dRan’i Jesoa, manaja ary ny miraiki-po amin’ny fon’i Jesoa be fitiavana. 
Fivavahana – Tenin’Andriamanitra – Eokaristia, izany no aina mamelona sy sakafo mamonto ny fiainan’ny FET ka mahatonga azy hihaJesoa isan’andro, araka ny tarigetram-piainany. 

Misy ny FET eto amin'ny diosezin'Antsiranana, ka ao antampontanan'Antsiranana dia i mompera Simon Zafisoratra izay sady Aumonier ny Université no misahana an'izany, miisa eo amin'ny 75 ny mpikambana amin'izao novambra 2015  ary hitombo ny isany raha hiditra ianao. Araka ny hafatra sy fampianaran'i Eveka matetika hoe : "Anisany làlana ho fijoroana vavolombelona ny fidirana fikambanana ka midira fikambanana mba ho Eglizy velona tokoa ny Eglizintsika"

 

Tsara ho fantatra :  Ny nipoirany ka hatramin'izao 2015, notsongaina tamin'ny gazety Lakroa

Feno 100 taona ny FET maneran-tany

Sampana nipoitra avy tao amin’ny AFAFI ny FET. Tany am-piandohana dia Kroazady Eokaristika no anarana niantsoana ny FET, fony mbola ireo ankizy madinika ihany no tao.

Ny taona 1910 : ny Papa Pio X dia nanome baiko sy namporisika ny ankizy vory saina hanao komonio, noho ny fiainam-pinoan’ireo ankizy tao anatin’ny Tafikakelin’ny Aina ny Fivavahana izay nitondra azy nankany amin’ny fanorenana ny Kroazady Eokaristika.

-          Jolay 1914 : ny Kongresy Eokaristika Iraisam-pirenena tany Lourdes no nanorina ny Kroazady Eokaristika; saingy tany Bordeaux (Frantsa), tao amin’ny sekolin-jazavavy atao hoe Cours Saint-Seurin kosa no niorina ny kroaze voalohany ny taona 1915.

-          1917 : nankinin’ny Fiangonana tamin’ny Fikambanan’i Jesoa ny fitantanana ny Kroazady Eokaristika

-          1939 : nohamafisin’ny Papa Pio XI tamin’ny Jeneralin’ny Fikambanan’i Jesoa, P. Ledochowski sj, fa ny Kroazady Eokaristika no Fikambanana lohalaharana avy tamin’ny Aina sy Famonjena ny Fivavahana.

-          Sabotsy Masina 1960 : tao Rôma, nandritra ny fankalazana ny faha 50 taonan’ny baikon’ny Papa Pio X momba ny kômonion’ny ankizy, nanoloana ireo kroazady Eokaristika 3 522 nanao Fivahinianana masina, no nanovan’ny Papa Jean 23 ny anarana ho Fivondronana Eokaristikan’ny Tanora. Nanjary nizara sampana araka ny sokajin-taona misy ny ankizy sy ny tanora ny FET mba hanamora ny fanabeazana. Ankehitriny dia Firenena maherin’ny 50 no misy FET eran-tany.

Manana ny Ray am-panahy iombonana maneran-tany ny AFAFI-FET, dia i P. Fréderic FORNOS sj, izay vao nandray izany andraikitra izany tamin’ny volana Mey 2014 lasa teo. Ny Satan’ny Aina sy Famonjena ny Fivavahana no mifehy ny FET

 

Ny FET eto Madagasikara : 95 taona

Ny 30 Novambra 1919, tao amin’ny Paroasy Faravohitra Antananarivo, no niorina ny Kroazady Eokaristika teto Madagasikara. RP Joseph de Villèle sj no nanorina azy.Nisy koa tao Ambatolampy Atsimo sy Arivonimamo.

Tamin’ny 1926 vao tena niroborobo ny tao Faravohitra. Toraka izany koa ny tao Ambatonilita, Andohalo ary Mahamasina. Ny Kardinaly Jérôme RAKOTOMALALA dia anisan’ireo Kroaze voalohany tao amin’ny sekolin-dry Frera tao Andohalo. Haingam-pitombo fatratra ny giropin’ny kroaze ka tsy ela dia nisandrahaka nanerana ny Nosy.

Ny taona 1960, dia efa nitondra ny anarana hoe FET ny Kroazady Eokaristika teto Madagasikara, fa ny Sampana zandriny kosa dia mbola nitondra ny anarana hoe  Kroaze tamin’izay. Ny taona 1975 vao nandray ny anarana hoe Irak’i Kristy ny kroaze izay sampana zandriny indrindra sy ireo zokiny Vavolombelon’i Kristy. Ny Ekipa Kristianina Ankehitriny kosa dia Taona 1959 no niorenany.

-          Ny Diosezy 21 eto Madagasikara dia ahitana FET avokoa.

Fanta-daza eran-tany ny FET Madagasikara amin’ny firoboroboany sy amin’ny maha taninketsan’ny Fiantsoan’Andriamanitra azy. Maro amin’ ireo Eveka sy Pretra ary Relijiozy no nandray fanabeazana taminy ; fa mbola marobe koa ireo lahika mandray andraikitra tsara sitrapo any anivon’ny fiarahamonina sy ny Fiangonana any no nahita soa tamin’ny fanabeazana FET. Ankehitriny dia maherin’ ny 200 000 ny isan’ny mpikambana manerana ny Nosy.