TIA AN’ANDRIAMANITRA SY NY NAMANA NO MAHA-KRISTIANINA
Ry Kristianina havana, amin'izao Alahady faha-30 taona mandavantaona izao dia sady Alahady hamaranantsika ny volan'ny raozery no hamaranantsika ihany koa volan’ny misiona. Mbola ao am-pontsika ny fankalazana ny Sinaody ary ao an-tsaintsika ireo fehin-kevitra maniraka antsika hiroso amin’ny lalindalina kokoa ka hahatonga antsika ho EGLIZY OLO VELONA, MIARA-DALANA, MIOMBONA, MANDRAY AN-TANANA, MISIONERA ZARY TABERNAKLA VELONA. Miroso ny fiarahan-diantsika ka maniry mafy isika mba ho eo am-pelatanantsika ny Toro lalana pastoraly (directoire pastoral) amin’ny taona ho avy rehefa mankalaza ny jobilin’ny faha-125 taona ny eglizy trano ambany fiarovan’i Masina Misely Arkanjely eo Joffre-Ville isika.....[......]

