FANDALINAM-PINOANA / TORITENY

ALAHADY FAHA-11 MANDAVANTAONA - TAONA A2026

«Raha nahita ity vahoaka marobe i Jesoa, dia onena azy ireo satria nijaly sy nafoy toy ny ondry tsy misy mpiandry»

Manomboka ny mandavan-taona isika ka ny Tenin’Andriamanitra aroson’ny Eglizy dia entina hanampy antsika handalina ny finoana mba hivahatra tsara ao amin’I Kristy isika ka ho kristianina tokoa, ho Kristy Mpiara-belona amin’ny olona. Izany no tanjon’izao Sinaody faha-7 fa indrindra ny fijanonana faha-4 iarahantsika miatrika izao ka hahatonga antsika ho EGLIZY OLO VELOMIN’NY BATEMY MIARA-DALANA MANDRAY AN-TANANA IRAHINA HO MISIONERA ZARY TABERNAKLA VELONA......[......]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

FANKALAZANA NY FO MASIN'I JESOA

Mankanesa atý amiko ianareo rehetra izay mitondra fahoriana sy mavesatra entana, fa hanamaivana anareo aho.


Ry Kristianina havana, fotoan-dehibe ho antsika tokoa ity andro anio ity satria miaraka amin'ny Eglizy maneran-tany isika Olo Araiky ato amin'ny diosezy izay faly mifampiarahaba manokana satria andro ankalazantsika ny Fo Masin'i Jesoa mpiaro antsika eto amin'ny Katedraly fa indrindra amin’izao vanim-potoana tena mavesatra ho antsika mianakavy noho izao krizy maro lafy izao. Vanim-potoana lehibe ihany koa ho an’ny firenena satria tena kihon-dalana lehibe ho an’ny firenena araka ny voalazan’ny Eveka tamin’ny hafany raha tsy tafita amin’izao dia tsy fantatra ny nanjo antsika. Anatin’ny volana jiona rahateo isika volan’ny ankizy solofo dimbin’ny ala ary volana ankalazantsika ny fetim-pirenana.......[....]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

ALAHADY FANKALAZANA VATANA SY RA MASIN'I KRISTY TAONA A2026

Izaho no mofo velona izay nidina avy any an-danitra


Ry Kristianina havana, tamin'ny Alahady lasa teo isika nankalaza ny misterin'ny Trinite masina. Nantitranterintsika fa tsy Andriamanitra lavitra fa Andriamanitra miara-dàlana amintsika i Kristy, mpiara-belona amintsika ny Trinite masina. Marina fa mistery lehibe tokoa ny Trinite Masina ary sarotra takarina ny heviny kanefa mampibaribary fa ny lahatr'Andriamanitra ho antsika olombelona dia ny ho iray Aminy, ho fianakaviana iray Aminy, ho olo araiky Aminy ka ny fibanjinantsika ny Trinite masina dia mampiditra antsika ho anisan'izany olo araiky ao amin’Andriamanitra izany......[.......]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

ALAHADY FANKALAZANA NY TRINITE MASINA - TAONA A2026

Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao


Ry Kristianina havana, miditra amin'ny vanim-potoana mandavantaona isika manomboka amin'izao Alahady ankalazantsika ny Trinite Masina izao. Miditra amin'ny fiainana andavanandro, miditra amin’ny ivelomana ny maha EOV MISIONERA ANTSIKA, manorina ETA miezaka ho “tabernakla velona”, Mpivahinin’ny Fanantenana mamafy fiadanana sy fanantenana ary fihavanana manasitrana an’izao tontolo izao fa indrindra miatrika izao krizy mafy mikiky antsika izao ka ny tena loza dia maro no sahy mamono konsiansy........[......]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

ALAHADY PANTEKOTY - TAONA A2026

MPANKAHERY SY MPANAZAVA ARY MPAMPIHAVANA, NY FANAHY MASINA


Ry Kristianina havana, amin'izao Pantekôty izao dia azo lazaina fa fankalazana ny fahaterahantsika vita batemy, izany hoe sady mahatsiaro ny nahaterahantsika ho anisan'ny fianakaviam-ben'Andriamanitra sy olo araiky ao amin'Andriamanitra isika no mankalaza ny fahaterahan'ny Eglizy. Araka ny averimberintsika matetika ny fankalazana tsy hoe fahatsiarovana fotsiny fa noho ny asan'ny Fanahy Masina izay ankalazaintsika androany, dia miditra tanteraka amin' izany fankalazana izany isika. Sambatra isika mahatsapa izany....[....]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny