Nomena Ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy ety an-tany.
Ry Kristianina havana, faly sy ravo isika mianakavy amin'izao andro ankalazantsika ny fiakaran'ny Tompo izao satria nisy havantsika tafita. Rehefa misy havantsika tafita na eo amin'ny fanadinana na eo amin'ny fiainana dia mifampiarahaba isika. Ka androany olo araiky amintsika, iray lio amintsika, iray rà amintsika no tafita ka mifampiarahaba satria tafita i Jesoa lohan'ny Eglizy ary isika no Eglizy fianakaviamben'Andriamanitra, Olo Araiky amintsika. Niakatra any an-danitra i Jesoa, any izany no hitoerantsika rehetra. Efapolo andro izao no nihiboka ny Apostoly. Isika koa na tsy nihiboka aza dia miatrika krizy mafy na eran-tany na eto amintsika.....[......]

