“Mitsangàna, ary mandehàna, fa ny finoanao no nahavonjy anao”.
Ry Kristianina havana ao anatin’ny volana oktobra izay ibanjinantsika manokana ny maha-misionera antsika sy ny maha-iraka antsika isika. Vita batemy aho ka irahina ho vavolombelona eo anivon’ny mpiara-belona. Ny volana oktobra no ibanjinantsika koa amin’ny alalan’ny fanaovana ny raozery ny misterin’ny famonjena antsika iarahana amin’i Masina Maria. Izany no maha-misionera antsika, manorina EOV sy ETA ka manitatra ny fanjakan’Andriamanitra amin’ny alalan’ny fitoriana ny Vaovao mahafaly izay mahatonga antsika Kristianina, ho Kristy mpiara-belona amin’ireo manodidina antsika ka ho génération mpanorina. Amin’izao ady sady dia mitondra antsika amin’ny fankalazana ny faha-70 taonan’ny niorenan’ny diosezy ankalazantsika mandritra ny fanantanterahantsika ny Sinaody faha-7 fijanonana faha-3 (troisième session) izao ao anatin’ny taon-jobilin’ny fanavotana antsika izao dia hiezaka isika isam-pianakaviana Eglizy kely hivavaka hanao Raozery ary hamerin-kaja indray ny andro sabotsy andron’ny fianakaviana......[.....]

