ANDRIAMANITRA TSY TIA RATSY FA NY OLOMBELONA NO BE SIASIA
Ry Kristianina havana, tian’ny Eglizy sahady ho tsapantsika amin’izao Alahady voalohan’ny karemy izao ny tena dikan’ny hoe fahotana, izay fantatsika fa manapotika ny fiainantsika satria noho ny fahotana dia simba ny fifandraisantsika amin’ny zava-boary, amintsika samy isika ary amin’Andriamanitra izany hoe ny mahaolona antsika mihitsy satria nohariana mba hifandray isika. Ary ho hitantsika fa ireo fifandraisana fototra telo ireo indrindra no fakam-panahy natrehin’i Jesoa tany an’efitra.......[.....]

