« Fiadanana anie any an-danitra, ary voninahitra anie any amin’ny avo indrindra »
(Lk. 19: 38)
Ry Kristianina havana, izao Alahadin’ny sampankazo izao no mampiditra antsika amin’ny herinandro masina izay ankalazantsika ny famonjena antsika dia Andriamanitra nanaiky hanavotra antsika, nanaiky nanolotra ny ainy ho antsika, nanaiky ho faty hanafaka antsika amin’ny fahotana. Azo lazaina izany fa tena miavaka tokoa ity herinandro masina atombotsika amin’izao sampakazo izao satria mampiditra antsika amin’ny herinandro ankalazantsika ny taon-jobilin’ny Fanavotana. Marina fa mandritra ny taona manontolo ny fankalazana fa ity no tena ivony ka manasa antsika jiaby fa indrindra izay mbola matoritory hifoha ka samy hiombona hiara-dia isika Mpivahinin’ny Fanantenana......[.....]

