« Nampianatrataoamin’nysinagôgan’izyireoIzy, ka nankalazain’izyrehetra » (Lk. 1: 15)
Ry Kristianina havana, amin’izao mandavantaona izao dia fandalinam-pinoana no ataontsika izany hoe miainga amin’ireo vakiteny aroson’ny Eglizy amin’izao taonan’i Md Lioka izao, dia alalinintsika ny fiainan’I Jesoa mba ho zary fiainantsika izany ny maha-kristianina mpanara-dia an’i Kristy, ho Kristy Mpiara-belona amin’ny olona, ho Tabernakla velona tahaka an’I Masina Maria, ho Mpivahinin’ny Fanantenana mamafy hafaliana, fiadanana, fihavanana sady kristianina no malagasy manasitrana ny ratran’izao tontolo izao. Izao tokoa ny fotoana tsara hirosoantsika lalindalina kokoa amin’ny Sinaody faha-7 fijanonana faha-3 ka hivelona ny lohahevitra FIANAKAVIANA EGLIZY KELY MIFANASOA MIFAMPITSIMBINA MIKATSAKA NY SOA IOMBONANA…[..........]