« Izay tsy manam-pahotana aminareo no aoka hitora-bato azy voalohany »
Ry Kristianina havana, tena efa akaiky tokoa ny fankalazantsika ny Paka, Alahady roa sisa dia mankalaza ny Paka isika ary amin’ny Alahady hoavy dia hankalaza ny sampankazo izay mampiditra antsika amin’ny herinandro lehibe, ny Herinandro masina. Izao Alahady izao amin’ny toerana maro dia alahady fanaovana pelerinajy izay handinihantsika ny lakroan’i Kristy, miombona amin’I Jesoa amin’ny lalan’ny hazofijaliana lehibe. Miakatra eny amin’ny “La montagne” isika manao pelerinajy, entintsika hiakatra ny fiainantsika fa tsy hirefarefa amin’ny tany izay feno lainga, risoriso sy fitapitaka ary herisetra. Ny tantaran’ilay vehivavy tratra nijanganjanga dia tantarantsika tsiraikiraiky, tantataran’ny fianakaviana, tantaran’ny Eglizy, tantaran’izao tontolo izao.....[.......]

