Hisy olona avy any Atsinanana sy avy any Andrefana hipetraka hihinana eo amin’ny Fanjakan’Andriamanitra.
Ry kristianina havana, raha tamin'ny herinandro lasa isika nandinika sy nibanjina an'i Masina Maria nampakarina vatana sy fanahy any an-danitra ary any tokoa no toerana iombonantsika dia olo araiky amin'ny Trinité Masina tokoa isika. Ary tamin’ny alahady faha-20 lasa teo isika niara-nisaotra an’Andriamanitra tamin’ny fanamasinana pretra. Mivavaka ho azy ireo hatrany isika. Tadidintsika ny foto-kevitra nanentana antsika tamin’izany: mila safidy ny fiainana ary tsy vitan’ny safidy fa mila fola-kevitra manatanteraka izay safidy izay eo amin’ny fiainana andavanandro raha te-hahita fivelarana marina....[...]

