ANDRIAMANITRA NO TENA MAHASAMBA IRA FA TSY NY HAREN’NY TANY
Ry Kristianina havana, amin’izao Alahady mandavantaona tsotra fandalinam-pinoana ataontsika izao dia nibanjina manokana ny fiantsoan’Andriamanitra isika tamin’ny alahady lasa teo, nirahin’Andriamanitra isika ho mpanarato olona tahaka an’i Simona Piera, nirahina mba hamokatra tokoa isika raha miara-miasa amin’Izy Andriamanitra. Raha manao ny asan’Andriamanitra isika dia Andriamanitra no hanao ny asantsika. Izany tokoa ny “vocation” dia ny fanatanterahana ny sitrak’Andriamanitra. Nilaza tamintsika I Jesoa tamin’ny Alahadyfaha-5 mandavantaona lasa teo “Alatsaho ny harato mirosoa amin’ny lalindalina kokoa”. Amin’izao Alahady faha-6 mandavantaona izao dia manasa antsika indray kosa ireo vakiteny aroson’ny Eglizy mba hiroso lalindalina kokoa isika eo anivon’ny fiainantsika satria irahina isika hikatsaka ny hasambarana......[.....]

