« NA OSA AZA ISIKA EO I KRISTY HO HERINTSIKA… »
Ry Kristianina havana mitohy hatrany ny fiarahan-diantsika miroso amin’ny KEN ary miditra amin’ny fanjavan’ny saserdotaly isika…
Aoka hanararaotra izao fotoana izao isika hanao vavaka totoafo mba ho vanim-potoam-pahasoavana ho antsika satria sambatra isika fa
tonga hamangy antsika Andriamanitra. Raha ny Evanjely tamin’ny Alahady lasa teo no jerena dia maro ireo olona natoky sy nino an'i Jesoa ho Andriamanitra, ka nahazo fanasitranana sy fahasoavana tamin'ny fanahy amam-batana. Matokisa hatrany isika fa na dia mila ho rendrika aza isika « na osa sy malemy aza isika fa raha eo anivontsika i Jesoa dia Izy no herintsika ». Izany no foto-kevitra amin’izao Alahady faha-14 mandavantaona izao. Matetika diso fomba fijery isika. Matetika tokoa isika no mila an’Andriamanitra fa indrindra rehefa tojo fahasahiranana. Raha ny marina Andriamanitra no mila antsika. Izany hoe mila antsika mino azy Izy mba ahafahana manatantanteraka amin’ny alalantsika ny sitrapony ary tokana ny sitrapony dia isika ho voavonjy, ho sambatra .....[.......]
Tsindrio eto hihaino ny toriteny