Naniraka ny Zanany mba hamonjy an’izao tontolo izao Andriamanitra
Ry Kristianina havana, tonga amin’ny ivon’ny DIA sy ny ADY isika amin’izao karemy 40 andro irosoantsika tsikelikely amin’ny fiainam-baovao izay andrandraintsika amin’ny Paka izao hanaovantsika “nouveau départ”, fiaingana vaovao vokatry NY FIOVAM-PENITRA MAHERY VAIKA NY FITONDRAN-TENA entanin’ny safidy matotra hametraka an’I Jesoa ho ivon’ny fiainana sy eo anivon’ny fiainana, ho ivon’ny FIANAKAVIANA “EGLIZY KELY” ka hahatonga antsika ho EOV MISIONERA TABERNAKLA VELONA fa indrindra amin’izao isika miatrika ny Sinaody faha-7 fijanonana faha-3 ary indrindra indrindra amin’izao taonan’ny vavaka ary eo am-panatanterahana ny KONGRESY EOKARISTIKA NASIONALY KEN 2024 izao
Amin’izao Alahady faha-4 ny karemy izao dia abaribarin’Andriamanitra amintsika fa na dia manao akory ny toetrantsika na korontan-dava ny fiainantsika vokatry ny KRIZY LAVARENY dia tonga nanolotra ny ainy i Kristy ary vonona Izy hanavotra antsika sy hanolotra ny fahasoavany, handrindra ny zava-drehetra fa anjarantsika kosa ny miditra sy manaiky handray ny fahasoavana avy Aminy, fahasoavana izay omeny maimaim-poana. Tonga tokoa I Jesoa ho FIHAVANANTSIKA mba hampirindra amin’ny laonina indray ny fifandraisana rehetra mandrafitra ny mahaolona izay indrisy potika noho ny fahotantsika......[.......]