FANDALINAM-PINOANA / TORITENY

ALAHADY FAHA-2 TSOTRA MANDAVANTAONA B2024

SAMY NANTSOIN'ANDRIAMANITRA TSIRAIRAY ISIKA


Ry Kristianina havana malala, amin'izao Alahady tsotra faharoa mandavantaona dia mampiditra antsika tanteraka amin’ny vanimpotoana mandavantaona ka manosika antsika hanamafy aminy fandalinam-pinoana fa indrindra amin’izao isika miroso amin’ny tapany faha-3 amin’ny Sinaody ary miroso amin’ny fankalazana maro sosona eto amintsika amin’ity taona ity ary ny fara-tampony dia ny KONGRESY EOKARISTIKA NASIONALY (KEN 2024). Tsy mahagaga raha faratampony ny Kongresy Eokaristika satria ny Eokaristia no loharano sy fototra ny fiainantsika. Aoka àry hohararaotintsika izao vanim-potoana mandavan-taona izao handalinantsika ny finoana ka hivelomantsika ireo hafatra maro samihafa mikasika ny Sinaody ary ny Kongresy Eokaristika. Manaraka izany aoka tsy hiraviravy tanana isika amin’izao andraikitra sy adidy tandrify antsika mikasika an’izay fiomanana izay......[.....]

 

Tsindrio eto hihaino  ny toriteny

ALAHADY NY NISEHOAN’NY TOMPO na EPIFANIA - TAONA B 2024

IZAO TONTOLO IZAO NO IRIN’ANDRIAMANITRA HO EGLIZY FIANAKAVIANY


Ry Kristianina havana, mbola ao anatin’ny vanim-potoanan’ny Noely isika izany hoe Andriamanitra eo anivontsika Emanoela”. Tsy Andriamanitra lavitra tokoa ny Andriamanitsika fa Andriamanitra mikarakara sy mikolokolo antsika. Tonga Olombelona I Jesoa mba hanarina ny fiainantsika olombelona lavo amin’ny fahotana tamin’ny fototra izany hoe potika ny fifandraisana telo mandrafitra ny maha olona dia ny fifandraisana amin’ny zava-boary, amintsika samy olombelona ary amin’Andriamanitra. Izany no mahatonga antsika milaza fa fahariana vaovao ny fahatongavan’ny Zanak’olombelona hahatonga antsika ho zanak’Andriamanitra. Io no takalo sarobidy tsy takatry ny saina satria takalo faty antoka ho an’Andriamanitra nefa amin’ny fitiavana izay mahafoy no mahazo ary izay maty antoka no mandresy......[........]

 

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

01 JANOARY 2024_FETY MASINA MARIA RENIN'ANDRIAMANITRA

ARAHABA RY FENO HASOAVANA


Ry Kristianina havana, amin’izao andro voalohany amin’ny taona vaovao 2024 izao dia mifampiarahaba isika no mifanolotra firarian-tsoa mba ho ny tsodranon’Andriamanitra sy ny fahasoavan’Andriamanitra no hanenika ny fiainantsika manontolo ka na dia eo aza ny zava- manahirana mety hitranga dia ho afaka hamakivaky ny taona isika noho ny fitahian’ny Tompo fa indrindra taona manana AKONY MANOKANA HO ANTSIKA ETO AMIN’NY DIOSEZY TAONAN’NY KONGRESY EOKARISTIKA NASIONAL KEN 2024. Ny teny fanevan’ny kongresy : FIHAVANANA HANASITRANA AN’IZAO TONTOLO IZAO… MPIRAY TAMPO ANAREO JIABY “ no entintsika manorina an’izao taom-baovao izao ka hitoetra ao amin’Andriamanitra tokoa isika….
Marina maro ny zavatra nanahirana antsika. Tena anatin’ny krizy isika. Mino sy matoky fa tokana ny faniriantsika, ny fanirian’ny tsirairay dia ny mba ho tena TAOM-BAOVAO amin’ny lafiny rehetra ity taona 2024 ity. Izany no mahatonga antsika nametraka ho ny teny fanevantsika eto amin’ny diosezy amin’ny taom-pikatrohana vaovao : “DEPART VAOVAO FIAINGANA VAOVAO VOKATRY NY FIOVAM-PENITRA MAHERY VAIKA CHANGEMENT RADICAL”.........[.........]

 

Tsindrio eto hihaino ny toriteny



ALAHADY FANKALAZANA NY FIANAKAVIANA MASINA TAONA 2023

FIANAKAVIANA MIFANKATIA, LANITRA ETY AN-TANY


Ry Kristianina havana, anio Alahady mamarana ny taona no alahady manaraka ny Noely, Alahady ahatsiarovana manokana ny Fianakaviana masina. Somebiseby isika amin’izao famaranana ny taona 2023 izao mikofoka manomana ny fety ny maro na dia tsy miafina fa tena ao anatin’ny krizy mafy. Ao anatin’izany indrindra no aoka tsy hanadino ny fototry ny fiainantsika raha mahatsiaro izao fetin’ny Fianakaviana masina izao. Masina ny fianakaviana tao Nazareta satria fianakaviana misy an’i Jesoa izay nankalazaintsika tamin’ny Noely, Andriamanitra eto amintsika. Raha eo anivon’ny fianakaviana tsirairay i Jesoa dia masina ny fianakaviana satria misy an’Andriamanitra ka na dia miatrika zavatra maro mety manahirana aza eo amin’ny fiainana dia matanjaka satria mitambatra amin’Andriamanitra ka feno fitiavana. Azonareo onogna amin’izao ny nanaovako hira setrin’ny Ranombavaka nandritra ny Fiaviana amin’ny toerana nanaovana visite pastorale : MANDROSOA AO AN-TRANONAY IANAO RY JESOA ….[.......]

 

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

FANKALAZANA NY NAHATERAHAN'NY MPAMONJY

Tonga nofo ny Teny ary nonina tety amintsika.


Ry Kristianina havana, an-kafaliana sy an-karavoana tokoa ny anolorana ny fiarahabana sy ny firarian-tsoa ombam-bavaka ho antsika ao anatin’izao fankalazana ny Noely izao. Arahabaina isika oloaraiky jiaby tratrin’izao Noely izao. Arahabaina isika EOV MISIONERA VITA BATEMY IRAHINA HO TABERNAKLA VELONA. Matoa eto anivontsika i Jesoa amin’izao Noely izao dia satria hanavao ny zava-drehetra nikorontana, hitondra aina sy fivelomana, raha isika olombelona tratry ny fahotana tamin’ny fototra ary voasariky ny fakam-panahy ka mifanapotika dia miantso antsika àry Izy Andriamanitra amin’izao Noely izao hanokatra ny fontsika handray an’i Jesoa eo amin’ny fiainantsika mba ho ivon’ny fianantsika Izy, mba ho génération mpanorina tokoa isika sy ho mpandavorary, hitoetra ao Aminy tokoa isika ary Izy hitoetra amintsika dia hamokatra be isika ary ho feno ny hafaliantsika. Raha Izy mitoetra eo amintsika dia hamokatra be isika. Matoa ny fiainantsika izao tsy mamokatra dia satria tsy mitoetra ao amintsika i Kristy ilay Mesia tonga eto anivontsika......[........]

 

Tsindrio eto hihaino ny toriteny