NY FIHEVITR’ANDRIAMANITRA TSY FIHEVITSIKA
Ry Kristianina havana, amin'izao Alahady faha-25 mandavantaona, Alahady mamarana ny volana septambra izao dia asain'ny Eglizy isika hibanjina manokana ny anjara toeran'ny lahika eo anivon'ny fiainana andavanandro, Alahady antsoina hoe andron'ny lahika. Marina fa andron'ny lahika ny andro rehetra fa tian'ny eglizy asongadina handalinana sy handinihana ny anjara toerany androany izany hoe ny maha-Apostoly ny lahika eo anivon'izao tontolo izao. Ny lahika dia ireo miaina eo anivon'izao tontolo izao, amin'ny alalan'ny fiainany no anambarany ny Vaovao mahafaly ka hitondrany ny toe-panahy maha Kristianina araka ny vavakantsika momba ny fiantsoan'Andriamanitra. Tsara averintsika sy ampahatsiahivana amintsika : “Omeo apostoly lahika vonon-kamonjy ny namana izahay mba hampamirapiratra ny toe-panahy kristianina eran’ny tany rehetra, amin’ny fitiavam-bavaka, amin’ny fitiava-namana, amin’ny fandeferana omban-kerim-panahy, amin’ny asa sahanina, hampibaribary ny toe-tsainao Kristy mamelona azy”. ....[........]