NY OLOMBELONA REHETRA NO KENDREN’ANDRIAMANITRA HIDITRA AO AMIN’NY FANJAKANY
Ry Kristianina havana, raha nibanjina an'i Masina Maria nampakarina amim-boninahitra vatana sy fanahy any an-danitra isika tamin'ny 15 aogositra lasa teo ary dia faly sy ravo satria nisy havantsika tafita. Izany koa ny miandry antsika raha miombona amin'Andriamanitra isika, raha mivelona tahaka ny niveloman'i Masina Maria ny finoana ary izy no ohatra voalohany ho antsika amin'ny fiombonam-po tanteraka amin'i Kristy.
Vanim-potoana lehibe ho antsika ihany koa iny 15 Août satria nanamasinana an’ireo Zanatsika telo mirahalahy. Niaraka tamin’I Maria izy ireo nanao “ENY”. Fantatsika ny “eny’n’I Masina Maria. Nanao “eny” tamin’ny filazan’ny Arkanjely Gabriely izy ary tsy “eny” indray mandeha fa isan-teteky hatramin’ny teo am-pototry ny hazofijaliana. Satria ny “eny” dia fiombonam-piainana tanteraka tamin’I Jesoa Zanany. Ahoana ny fisehoan’izay “eny” izay? Tahaka ny an’I Jesoa tamin’ny fanompoana.....[........]