MAHANDRY ANDRIAMANITRA ARY MAMINDRA FO
Ry Kristianina havana, ao anatin’ny fanatanterahana ny Sinaody isika ary miomana amin’ny fanamasinana ireo diakra ho pretra eto amin’ny diosezy ka izao indrindra no fotoana tsy maintsy anaovantsika vavaka totoafo mba hihavao tokoa ny fo amam-panahintsika fa indrindra ny lohahevitra dinihintsika amin’izao fijanonana faharoa, dingana faharoa dia ny hoe “Eglizy kely miaro sy mikolokolo ny tontolo iainana izao”. Naverimberintsika fa io ny vôkasiontsika tamin’ny nahariana antsika, raha tiantsika hiarina indray ity Tranobe Iombonana efa robaka ity dia tsy maintsy mivelona indray io vôkasiontsika io isika. Mitaky fiovam-penitra mahery vaika mitondra antsika hanana toetra manambara halemem-panahy, manambara fahatsoram-po. Ho sambatra isika amin’izany satria ho tonga diosezy maintso ny diosezintsika, ity faritra misy antsika ity. Zary diosezy feno fanantenana ny diosezintsika, ka ho feno fanantenana koa ny ho avy.
Izany tokoa ny manamarina ny teny faneva na slogan averimberintsika tsy amaray ny ho avy fa niany......[.......]