« Nampianatra tao amin’ny sinagôgan’izy ireo Izy, ka nankalazain’izy rehetra » (Lk. 1: 15)
Ry Kristianina havana, amin’izao mandavantaona izao dia fandalinam-pinoana no ataontsika izany hoe miainga amin’ireo vakiteny aroson’ny Eglizy amin’izao taonan’i Md Lioka izao, dia halalinintsika ny fiainan’I Jesoa mba ho zary fiainantsika, izany ny maha-kristianina mpanara-dia an’i Kristy antsika. Izany indrindra no ezaka tiantsika atao sy tanterahina amin’izao SINAODY IZAO hahatonga antsika ho EGLIZY OLONA VELONA MIARA-DIA VELOMIN’NY BATEMY KA MIOMBONA MANDRAY AN-TANANA IRAHINA ZARY TABERNAKLA VELONA. Raha atao amin’ny teny hafa ny tanjona dia ny hahatonga antsika ho OLON-DEHIBE AMIN’NY FINOANA ; Katolika aho ka mivelona ny finoako. Katolika aho ka raisiko an-tànana izay inoako, ankalazaiko izay inoako, Eglizy Olona Velona tokoa aho.
Amin’izao Alahady faha-3 mandavantaona dia manohy ny fianarana ny fiainan’I Jesoa isika mba ho KRISTIANINA. Miaraka amin’I Md Lioka isika amin’ity taona D ity fa I Md Joany kosa no novakiana tamin’ny Alahady lasa, mitantara ny fanovan’I Jesoa ny rano ho divay, izay manambara fa eo anivontsika I Jesoa.....[.....]