FANDALINAM-PINOANA / TORITENY

ALAHADY FAHA-2 FIAVIAN'NY TOMPO - TAONA D 2021

"Amboary ny lalan'ny Tompo, ahitsio ny halehany; ny lohasaha rehetra hototofana, ny tendrombohitra sy ny havoana rehetra haetry" Lk 3,5


Ry Kristianina Havana, tena tafiditra ao anatin'ny fiomanana amin’ny fiaviana na Avent isika. Araka ny volagnintsika matetika dia manokana ity fankalazana ny Avent, fankalazana ny fiavian'ny Tompo ity satria tena mampiditra antsika amin’ny fiatrehana ny Sinaody izay azo lazaina fomba lehibe handraisantsika ny Tompo eo anivon’ny fiainantsika ka hanaovantsika « DEPART VAOVAO », fiaingana vaovao hoy isika. Ary izay no hahatongavan’ny Tompo eto anivon’ny fiainantsika. Ny Noely no fanombohan’ny misterin’ny famonjena antsika. Vanimpotoan-dehibe ho antsika izany izao Avent izao. Tena « Temps fort » tokoa amin’ny fankalazana ny Sinaody : « Eglizy Olo, miara-dia, miombona, velomin’ny Batemy, mandray an-tanana ka zary Tabernakla velona ».
Ireo vakiteny rahateo dia tena mampiditra antsika amin’izay voalazantsika teo ka manomana antsika amin'izany fiavian'ny Tompo.....[.......]

 

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

ALAHADY VOALOHANY FIAVIAN'NY TOMPO - TAONA D 2021

« Miandrandrà ka asandrato ny lohanareo, fa efa akaiky ny fanavotana anareo »


Ry Kristianina havana, nankalaza an’i Kristy mpanjaka isika tamin’ny Alahady lasa teo izay namaranantsika ny taona litorjika ary amin’izao Alahady hamaranantsika ny volana novambra izao ka mampiditra antsika amin’ny taoana litorjika vaovao dia I Md Lioka no Evanjely ho banjinintsika manokana amin’ity taona D ity. Md Lioka izay mampisongadina bebe kokoa mikasika ny famindrampon’Andriamanitra sy i Masina Maria. Mandritra ny taona isika no handalina izany. Faly sy ravo miarahaba antsika amin’izao taona vaovao litorjika izao izay taona ho entintsika Olo Araiky Jiaby, Fratelli Tutti miatrika izao Sinaodin’ny diosezy izay miara-dalana amin’ny diosezy eran-tany : Eglizy Miara-dalana, Eglizy Olo, velomin’ny Batemy ka miombona mandray an-tanana, ka zary Iraka Tabernakla velona. Ny tanjona araka ny voalazantsika mba ho fiaingana vaovao, Pantekoty Vaovao ho an’ny diosezintsika. Ny irina dia ho samy ho “OLON-DEHIBE AMIN’NY FINOANA ìsika ka na dia mafy ny rivotra mety handrendrika dia tsy matory ny finoantsika fa mandroso hatrany ny sambom-piainantsika.....[.......]

 

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

ALAHADY TSOTRA FAHA-34 MANDAVANTAONA B2021

« Dia hoy i Pilaty taminy: Koa Mpanjaka izany Ianao ? Ary novalian’i Jesoa hoe : Efa voalazanao : Mpanjaka Aho » (Jo. 18: 37)


Ry Kristianina havana, anio no Alahady mamarana ny taona litorjika ka asain’ny Eglizy isika androany hibanjina ny faran’izao rehetra izao sady volana novambra izay volana hibanjinantsika ny fiainan-ko avy. Tsarovy fa nanantitrantitra isika tamin’ny Alahady lasa teo fa mbola hiverina amin’ny fomba manetriketrika I Kristy. Izao alahady faha-34 izao tokoa no famaranana ny taona litorjika ka ankalazantsika an’i Kristy Mpanjakan’izao rehetra izao. Fombantsika ny mifampiarahaba rehefa mifarana ny taona ka isika Kristianina katolika dia androany no mamarana ny taona litorjika, niaraka namakivavky ny taona B iny isika nandinika ny maha Kristianina antsika, nandinika ny maha Kristy mpiara-belona antsika eo amin’ireo manodidina antsika ka mahatonga antsika ho mpanorina ny Eglizy Olona Velona sy ny Eglizy Tranon’Andriamanitra. Nodinihintsika ireo fiainan’i Kristy arakaraky ny vanim-potoana nolalovantsika : ny vanim-potoana manokana sy ny vanim-potoana tsotra mandavantaona. [ ..........]

 

 

ALAHADY TSOTRA FAHA-33 mandavantaona B2021

« Dia ho hita amin’izay ny Zanak’olona avy eo ambonin’ny rahona amin-kery lehibe sy voninahitra » (Mk. 13: 26)


Ry Kristianina havana, tamin’ny Alahady faha-32 mandavantaona lasa teo ny fampianarana azontsika dia ny hoe izay tia mahafoy, fototry ny fiainantsika sy ny maha zanak’Andriamanitra antsika ny fahafoizana, fototry ny maha Kristianina antsika ny fahafoizana eo amin’ny mpiara belona amintsika, fototry ny maha mpanorina antsika EOV sy ETA. Averimberintsika matetika araka ny fampianaran’I Papa François fa ny “politika lavorary” dia ny fahafoizana sy fanompoana. Miatrika izao Sinaody faha-7 izao isika ary ao anatin’ny fiomanana hanatanteraka ny hasim-pinoana amin’ny Alahady ho avy izao, Alahadin’ny fankalazana an’I Kristy mpanjaka. Ary izao Alahady faha-33 izao no nofidin’ny Papa ho andro fanasoavana ny mahantra. Indrisy fa vokatr’ity KORONTANAVIRUS ity dia mihamaro ny mahantra eto amintsika ka ity andro anio ity, izay andro hankalazantsika sy hirosoantsika bebe kokoa amin’ny asa fanasoavana an’ireo voahiliky ny fiarahamonina no henointsika izany hafatra izany.....[.........]

 

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

ALAHADY TSOTRA FAHA-32 mandavantaona B2021

« Lazaiko marina aminareo fa io mpitondratena mahantra io no nandatsaka be indrindra tamin’izay rehetra nandatsaka tao amin’ny fandatsahan-drakitra » (Mk. 12: 43)

 
Ry Kristianina havana, raha tamin’ny Alahady lasa teo isika nandinika ny fitsipika volamena mba hialantsika amin’ilay fivavahana ety ivelany sy ny fanatanterahana fitsipika fotsiny izay nanomezan’i Jesoa tsiny an’ireo mpanora-dalàna sy Farisiana tamin’ny fotoanandrony, amin’izao Alahady faha-32 mandavantaona izao dia miditra lalindalina amin’izany fandinihana ny fitsipika volamena izany isika. Nilaza i Jesoa : “Mihainoa ry Israely, ny Tompo Andriamanintsika no Tompo Andriamanitra tokana ka tiavo ny Tompo Andriamanitrao amin’ny fonao, amin’ny fanahinao, amin’ny sainao ary herinao manontolo”, izany no didy voalohany, ny faharoa mitovy amin’izany : “Tiavo ny namanao tahaka ny tenanao”. Nolazaintsika àry fa io no làlam-piainana ho antsika raha te ho taranaka mpanorina isika ka hanorina ilay tontolo iainana izay mila harenina, hanorina ny tontolom-piainana izay tsapantsika fa efa potika ka mila harenina koa ary ny tontolom-pinoana izay tena mila harenina tokoa.....[........]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny