MAHATOKY ANDRIAMANITRA
Ry Kristianina havana, manomboka amin’izao Alahady fahatelon’ny karemy izao dia ny Evanjely nosoratan’i Md Joany no vakintsika isan’Alahady fa indrindra ireo Evanjely izay famantarana mifandray akaiky amin’ny batemy. Handinika bebe kokoa mikasika ny batemy isika manomboka izao. Inona ny antony? Ny Paka no loharano sy fototra ny fiainantsika kristianina ka ny batemy no Paka ho antsika. Izany hoe fandalovana isika, miala amin’ny fahafatesana miditra amin’ny fiainana. Araka izany ny Alahady fahatelo sy fahaefatra ary fahadimy dia handinihantsika ireo famantarana ao amin’ny Evanjelin’I Md Joany izay ahitana ny fanazavana ataon’i Jesoa mikasika an’ireo famantarana ireo. Aoka àry hitamberina ao an-tsaintsika ny Sinaody tapany voalohany izay nandinihintsika ny FIANAKAVIANA EGLIZY KELY MIARA-MIVAVAKA, MANDALINA NY FINOANA ka anisan’ny sakramenta lehibe nasongadintsika ny Batemy......[........]