"Koa aoka ary ho vonona koa ianareo, fa ho avy amin’ny ora tsy ampoizinareo ny Zanak’olona”
Ry kristianina havana, avy nankalaza ny famaranana ny Sinaody faha-7 tapany voalohany isika ka mbola mitamberina ao an-tsaintsika ireny fankalazana maro natao nankalazana an'izany ary miaraka misaotra an'Andriamanitra isika amin'ny fahasoavana rehetra noraisintsika. Tsy tanjona anefa izy ireny fa indrindra araka ny voalazantsika hoe tapany voalohany fa dingana sarobidy amin’izao fiarahantsika dia, Sinaody, izao. Manao depart vaovao, hoy isika, ahafahantsika miroso lalindalina kokoa hahatonga antsika ho EOV, Eglizy Olo velomin’ny Batemy, miombona, miara-dalana, mandray an-tanana irahina ho tabernakla velona.
Ny fankalazana tokoa no mifarana fa ny fiainana azy dia manomboka amin'izao araka ny torolalana nosoritana amintsika ireny. Italahoantsika mandrakariva ny Fanahy Masina hahatonga antsika ho fianakaviana “eglizy kely” miara-mivavaka mandalina ny finoana......[.......]