Ry Kristianina havana, tamin'ny voalohan'ny volana novambra isika no nahatsiaro ireo havantsika efa ao amin'ny fahasoavana sy fiadanana eo anivon’ny Trinité masina izany no dikan’ny fankalazana ny fetin'ny Olomasina. Isan’andro isika mahatsiaro ireo Olomasina hita amin'ny kalandrié fa ny 01 novambra dia natokan'ny Eglizy ho andro manokana hahatsiarovantsika ireo olomasina rehetra. Ny hoe masina dia manambara fiombonana amin'Andriamanitra satria Izy irery no hany masina, izy no manamasina antsika : fiainana misy an'Andriamanitra sy miombona aminy izany hoe fampitraofana ny finoana sy ny fiainana andavanandro. Ny 02 novambra kosa isika dia nivavaka manokana sy nandinika ny fiainan-ko avy ary ny anjara toeran'ny fahafatesana. Notsipihintsika tamin'io koa fa arakaraky ny fieritreretantsika ny fahafatesana no hanatanterahantsika izay atao sy hivelomantsika ny fiainantsika andavanandro. Raha fiafarana na fahalevonana ny fandraisantsika ny fahafatesana dia tsy mahagaga àry raha ny fahendren'izao tontolo izao no manentana ny fiainantsika raha hitantsika fa mifarana amin’ity fiainana ity ny fiainana. Fahendrena moa no ilazana azy fa ny raha ny tena fahendrena tsy mitondra amin'ny fahafatesana nefa izao tontolo izao mitondra amin'ny fahafatesana........[........]