Izay manandra-tena no haetry, ary izay manetry tena no hasandratra.
Ry kristianina havana, tamin'ny Alahady lasa teo dia natintraterin'i Kristy amintsika fa tsy maintsy miditra amin'ny varavarana ety isika raha te-hiditra amin'ny fianakaviamben'Andriamanitra, ho olo araiky ao amin'Andriamanitra. Araka ny antiranterintsika fa izay safidy izay no ambaran'i Jesoa amin'izay varavarana ety tsy maintsy hidirantsika izay. Mila toetra manokana izany hahatonga antsika ho Olo Araiky ao amin'ny Trinité masina. Izany koa ry Kristianina havana amin'izao Alahady faha-22 mandavantaona izao ny votoatin'ireo tenin'Andriamanitra izay halalinintsika fa indrindra moa anatin'ny mandavantaona fandalinam-pinoana isika izao ary indrindra miatrika izao Sinaody faha-7 izao izay efa akaiky dia akaiky ny famaranana ny dingana voalohany. Ny faniriantsika dia ny ho EGLIZY OLO VELOMIN’NY BATEMY MIOMBONA, MIARA-DIA, MANDRAY AN-TANANA KA ZARY MISIONERA TABERNAKLA VELONA......[..........]