NY FIHEVITR’ANDRIAMANITRA TSY FIHEVITSIKA
Amin'izao Alahady faha 25 mandavantaona sady Alahady mamarana ny volana septambra izao dia asain'ny Eglizy isika hibanjina manokana ny anjara toeran'ny lahika eo anivon'ny fiainana andavanandro, Alahady antsoina hoe andron'ny lahika. Marina fa andron'ny lahika ny andro rehetra fa tian'ny eglizy asongadina handalinana sy handinihana ny anjara toerany androany izany hoe ny maha apôstôoly ny lahika eo anivon'izao tontolo izao. Ny lahika dia ireo miaina eo anivon'izao tontolo izao, amin'ny alalan'ny fiainany no anambarany ny vaovao mahafaly ka hitondrany ny toe-panahy maha Kristianina ...[.....]