Hisy olona avy any Atsinanana sy avy any Andrefanahipetraka hihinana eo amin’ny Fanjakan’Andriamanitra
Ry kristianina havana, raha tamin'ny herinandro lasa isika nandinika sy nibanjina an'i Masina Maria nampakarina any an-danitra vatana sy fanahy ary any tokoa no toerana iombonantsika dia olo araiky amin'ny Trinité Masina tokoa isika. Ny fampianarana androany Alahady faha-21 mandavantaona izao dia manatitrantitra fa sady noharian'Andriamanitra ho fianakaviana iray eto an-tany isika no fianakaviana iray any an-danitra. Io ilay averimberintsika Olo Araiky isika Jiaby ary am-panetren-tena no ilazana azy fa nohamafisin’ny Papa tamin’ny Antsikilikany Fratelli Tutti izany.
Ny vakiteny voalohany dia manambara amintsika fa antsoin'Andriamanitra hiverina sy hiombona aminy ny firenena rehetra ho Olo araiky ao aminy na ny avy atsimo, na ny avy avaratra, na ny avy antsinanana na ny avy andrefana dia hiombona ho iray ao amin'Andriamanitra ary izay ny voninahitr'Andriamanitra : isika ho Olo Araiky ao Aminy......[.......]