« Izay tsy manam-pahotana aminareo no aoka hitora-bato azy voalohany »
Ry Kristianina havana, efa mihamanakaiky tokoa ny fankalazantsika ny Paka, Alahady roa sisa dia mankalaza ny Paka isika ary amin’ny Alahady hoavy dia hankalaza ny sampankazo izay mampiditra antsika amin’ny herinandro lehibe, ny Herinandro masina. Izao Alahady izao amin’ny toerana maro dia alahady fanaovana pelerinajy izay hibanjininantsika ny lakroan’i Kristy, handinihintsika ny Lalan’ny hazofijaliana ka hiombonantsika amin’I Jesoa mijaly sy maty. Miakatra eny amin’ny “La montagne” isika manao pelerinajy, entintsika hiakatra ny fiainantsika fa tsy hirefarefa amin’ny tany izay feno lainga sy fitapitaka ary herisetra. Izany rehetra izany no nahafaty an’i Jesoa teo ambony hazofijaliana noho ny hetraketratsika olombelona, izay no nanolorany ny tenany hamonjena antsika. Mbola manjaka anefa izany ankehitriny, raha mijery ny zava-misy dia toa fiainana biby sanatria ny fiainantsika olombelona indraindray, rentsika etsy sy eroa fa herisetra maro isan-karazany........[........]