Ry kristianina havana, mifanojo amin'ny fetim-pirenena izao Alahady faha-13 mandavantaona izao ary ny tenin'Andriamanitra dia mampitodika atsika tokoa mba hiroso lalindalina kokoa amin'ny fandraisana an-tànana izany fiainam-pirenena izany fa indrindra amin'izao fotoana sarotra lalovantsika izao. Ary matetika moa ny firenena izay mazava ho azy fa ny tànana izay misy atsika ary indrindra fa mandritra ny volan'ny Fo Masin'i Jesoa izay fantantsika tsara fa ambany fiarovany ny tananantsika sy ny diosezintsika. Fetim-pirenena tokoa androany ka faly miarahaba atsika ary mirary soa ho atsika rehetra. Ndao ary isika hivavaka ho an'ny firenentsika ary mba hijery izay tokony ho tandrify atsika tsirairay amin'ny fampandrosoana azy...[.....]