" Dia fara fitiavana no nataony taminy "
Ry Kristianina havana, izao Alakamisy Masina izao no anombohantsika ny Hateloana Masina izay mitondra antsika amin’ny fankalazana ny paka izay antsointsika hoe Tridiuum Pascal, telo andro hankalazantsika ny famonjena antsika ka hiampitantsika miaraka amin’i Jesoa amin’ny fiainana vaovao, fahariana vaovao, olombaovao, FIAINGANA VAOVAO hoy isika amin’izao Sinaody izao. Izany no ankalazaintsika amin’ny Asabotsy masina rehefa avy namakivaky izao karemy izao izay niadiantsika tamin’ny ratsy, ady amin’ny fahotana izay manapotika ny fiainantsika, ADY AMIN’NY RAFI-PAHOTANA , hoy isika raha mandinika ny fiainantsika. Rafi-pahotana satria maro ny tsy mahatsapa ka mihevitra fa “normaly”. Nefa indrisy tena manapotika antsika vokatry ny lojikan’izao tontolo izao. Raha lojika tokoa dia tokony hitondra amin’ny tsara nefa indrisy milaza miara-mahita isika fa noho io lojikan’izao tontolo izao izay “mikolokolo” fahafatesana. Misy ny tokoa fahotana vokatry ny rafitra efa mipetraka ka manapotika mihintsy ny fiaraha-monina misy antsika. Ireny no tsy maintsy tilintsika, tsy maintsy sivantsika amin’izao Herinandro Masina mitondra antsika amin’ny Paka, amin’izao Sinaody izao. Ady amin’ireny ratsy rehetra ireny no tsy maintsy ataontsika.....[.......]