« Ilay ity mandray ny mpanota sy miara-mihinana aminy » (Lk. 15: 2)
Ry Kristianina havana, izao no andro tsara sy androm-pahasoavana hibebahantsika ka hanatonantsika an’Andriamanitra, fotoana hiekentsika heloka ka hohavaozin’Andriamanitra ny fo amam-panahintsika, ho lasa olom-baovao isika, izany no andrandraintsika amin’ny Paka, izany no antenaintsika sy irintsika amin’izao Sinaody faha-7 atrehintsika izao ary iombonantsika amin’ny sinaody eran-tany faha-16.
Nobanjinintsika tamin’ny Alahady lasa teo fa tsy maintsy mibebaka isika miady amin’ny ratsy mikiky ny fiainantsika raha nandinika ny niseho tamin’ny vahoakan’Israely. Ireny zava-mitranga ireny, ireny loza ireny tsy hoe Andriamanitra mahatonga azy ireny fa fananarana ho antsika, hanampy antsika hiaiky fa ao amin’Andriamanitra irery ihany no tena hasambarana, Andriamanitra irery no loharanon’Aina. Amin’izao Alahady fahaefatra amin’ny Karemy izao dia manambara fa efa akaiky tokoa ny Paka, I Jesoa nandalo tamin’ny ratsy indrindra dia ny fahafatesana nefa nitsangan-ko velona. Raha miara-maty Aminy amin’ny fahotana isika dia hitsangana hiaraka aminy......[.......]