MANOMÀNA VATSY SAHAZA NY MANDRAKIZAY
Ry kristianina havana, amin'izao Alahady faha-19 mandavantaona izao dia manentana antsika ny eglizy hanomana vatsy ho an’ny mandrakizay.fa indrindra ireo Tanora izay miomana hanao fivaniana masina any Antsirabe hiatrika ny JMJ. Tsy tanjona izany fa fanirahana fa indrindra moa ho antsika eto anivon’ny diosezy miatrika ny Sinaody fa “nouveau depart”. Izany no dikan’ny voady izay atrehintsika izao. Ny voady tokoa dia manambara fahafoizana ka manolo-tena amin’I Jesoa mba hanara-dia Azy akaiky kokoa. Hivelona ireo toe-panahy mampiombona amin’I Jesoa. Noho ny voadin’ny fahadiovana dia tokam-pilana ny fo ka amin’ny alalan’I Jesoa sy miaraka Aminy ary ao Aminy no itiavana sy anompoana ny manodidina fa indrindra ireo eo anivon’ny fiaraha-miaina. Torak’izany koa noho ny fahantrana dia tokana ny harena dia I Kristy. Noho ny voadin’ny fanekena sy fankatoavana dia ny fanatanterahana ny sitrapon’Andriamanitra no zary fiainana. Mitaky “rupture” izany rehetra izany. Izany hoe tsy maintsy “tapaka” eo amin’ny fiainana mahazatra sy ny fiainana voatokana......[......]

