« Ary i Jesoa nitombo fahendrena sy tena, ary nandroso nahatehotia tamin’Andriamanitra sy ny olona » (Lk. 2: 52)
Ry Kristianina havana, amin’izao Alahady manaraka ny Noely izao dia mbola ao anatin’ny hafalian’ny Noely isika. Ny Teny Tonga Nofo no banjinin’ny Fianakaviana masina izay modely ho an’ny fianakaviana rehetra. Tsy fianakaviana mikombona ny Fianakaviana Masina misy an’I Jesoa, Maria, Josefa satria araky ny fantatsika dia nivelatra tamin’ny olon-drehetra izy ireo na dia tao anaty tranon’omby no nahaterahan’I Jesoa. Tsara anefa ny manaraka fa ireo olon-tsotra tahaka ny mpiandry ondry no nandray azy.
Faly sy ravo isika mifampiarahaba amin’izao noely izao fa indrindra amin’izao fankalazana ny Fianakaviana Masina izao satria ny fianakaviana dia isika miombona ho Olo Araiky ao amin’Andriamanitra. Io no ambaran’I Papa François ao amin’ny Ansiklikany “Fratelli Tutti”. Na izany aza dia faly miarahaba manokana ny fianakaviana tsirairay. Enga anie ho fianakaviana misy an’Andriamanitra ny fianakaviantsika satria midika izany fa eo anivontsika ny loharano sy fototry ny fiadanana......[.......]