« Dia ho hita amin’izay ny Zanak’olona avy eo ambonin’ny rahona amin-kery lehibe sy voninahitra » (Mk. 13: 26)
tamin’ny Alahady faha 32 mandavantaona lasa teo ny fampianarana azontsika dia ny hoe izay tia mahafoy, fototry ny fiainantsika sy ny maha zanak’Andriamanitra antsika ny fahafoizana, fototry ny maha Kristianina antsika ny fahafoizana eo amin’ny mpiara belona amintsika, fototry ny maha mpanorina antsika EOV sy ETA. Ao anatin’izao fiomanantsika amin’ny hasim-pinoana ary amin’izao Alahady izao mialoha ny fankalazana an’I Kristy mpanjaka no nofidin’ny Papa manokana ny Alahady faha 33 mandavantaona hahatsiarovana ny asa fanasoavana an’ireo mahantra. Indrisy fa mihamaro ny mahantra eto amintsika ka inty andro anio ity, izay andro hankalazantsika sy hirosoantsika bebe kokoa amin’ny asa fanasoavana an’ireo voahiliky ny fiaraha-monina.....[.......]