“Tompo ô, hankany amin’iza àry izahay? Ianao no manana ny teny fiainana mandrakizay ”.
Mbola tohizantsika ny fandalinana ny Eokaristia miainga amin’ny Evanjely Joany 6 izay manambara ny famantarana nataon’i Jesoa dia ny fampitomboana ny mofo ka niainga avy amin’izany izy no nampianatra ny fanorenana ny Eokaristia loharano sy fototra ny fiainantsika. Maro ireo tsy nahazo ny fampianarana nataon'i Kristy ka nihemontra ka tsy niaraka aminy intson.
Amin’ny Evanjely androany Alahady faha 21 tsotra mandavantaona i Md Piera no nisolo vava ireo mpianatra rehefa nanontany I Jesoa hoe ary ianareo mba ahoana, te-hiala koa ? namaly i Piera nanao hoe “hankany amin’iza izahay ianao no manana ny teny fiainana ary izahay efa nino sy nahalala fa ianao no ilay masin’Andriamanitra”, fiekem-pinoana izany ary mahatonga antsika ho iray ao amin’i Jesoa sy mahatonga antsika taranaka mpanorina satria mitoetra ao amin’i Jesoa sady itoreran’i Jesoa, finoana izany. Ny finoana tokoa no mampiombona amin’i Jesoa fa tsy zavatra hafa n’oviana n’oviana.
Ny fiainana sy fitoerana amin’i Jesoa no tena finoana, hifikitra sy hiaraka amin’i Jesoa ka mahatonga an’ireo ho Jesoa velona sy mpiara-belona amin’olona amin’izao fotoana izao. Fampianarana lehibe ho antsika ny voalazan’i Piera sy ny fiekem-pinoana nataony.....[........]