L'évêque

FIANAKAVIANA EGLIZY KELY TOHINY

« Amin’izao fotoam-pibebahana izao dia manavao ny finoantsika isika, manovo ilay "ranovelon’"ny fanantenana sy mandray amin’ny fo misokatra ny fitiavan’Andriamanitra izay manova antsika ho mpirahalahy sy mpirahavavy ao amin’i Kristy (ho Olo Araiky isika jiaby). Hanavao ny toky nomena tamin’ny Batemy isika amin’ny alin’ny Paka, mba hateraka indray ka ho tonga lehilahy sy vehivavy vaovao, noho ny asan’ny Fanahy Masina….. »  

Io tenin’i Papa tamin’ny taratasiny tamin’ny Karemy no mbola entoko manolotra amintsika Olo Araiky Jiaby ny taratasy annexe 3 satria mifanraka tsara sy mamintina amin’izay ambarany  

Mankalaza ny Alahadin’ny Sampankazo isika Mandray an’ity hafatra ity. Feno tebiteby noho ity KORONTANAVIRUS ity….  

Alahadin’ny Sampakazo mamarana ny « ady » sady « dia » miakatra  ho an’ny Jerosalema noho izany varavarana mampiditra antsika ao Jerosalema miaraka amin’i Jesoa ao amin’izao Herinandro Masina.  

Tsy levona (lò) ao am-pasana i Jesoa fa « nandevona » ny ratsy rehetra ary ny ratsy faratompony dia ny fahafatesana. Havoazin’i Kristy Fihavanantsika ny zava-drehetra ary isika miaraka Aminy, sy amin’ny alalany ary ao Aminy. Izay ny « départ vaovao »…  

MIRARY PAKA MASINA SAHADY HO ANTSIKA JIABY ALELOIA NITSANGAN-KO VELONA NY TOMPO ALELOIA  

Indro ny taratasy annexe FAHA-3 hanampy antsika hanohy ny « départ vaovao » : TONDRON-JOTRA, TORO-LALANA … HANAMPY ANTSIKA MBA HO FIANAKAVIANA EGLIZY KELY MIFAMPITSIMBINA,MIFANASOA, MIKATSAKA NY SOA IOMBONANA MBA HO OLO ARAIKY ISIKA JIABY VOKATRY NY PAKA 

 

 

FIANAKAVIANA EGLIZY KELY

Miditra amin’ny dingana faharoa amin’ny « ady sy dia » vokatry ny « départ vaovao », vokatry ny fiaingana vaovao, ainga vaovao isika. Ady amin’ny ratsy fa indrindra vokatry hetraketraka nataontsika olombelona ihany ka niteraka ny fiovan’ny toetrandro (changement climatique) nanapotika ny fivelarana ny maha olona manontolo sy ny olon-drehetra. Io ilay fomba fijery sy fisainana momba ny tontolo iainana mivelatra amin'ny lafiny rehetra sy amin'ny lafiny manontolo velabelarin'i Papa ao amin' ny Ansiklika « Hankalazaina Andriamanitra » (Laudato si) . Ao ny Papa no mamaritra ireo fanamby entintsika miaro ny tontolo, dia ny TRANOBE IOMBONANA, tsy ho potika intsony izany hoe fomba fisainana ny tany sy fisainana mivelatra sy manontolo mifanaraka amin’ny maha olo araka ny naharian’Andriamanitra azy (écologie humaine intégrale) Fanontaniana ifampisedraina Inona marina ny zava-misy eo anivon'ity Tranobe iombonana ity raha fitinintsika. Raha mijery ny aty amintsika inona no azonao lazaina ? Aza mitanisa fotsiny fa jereo tsara ny mety nahatonga izany.......

Taratasy pastoraly laharana faha-8

HO ANTSIKA EOV VITA BATEMY REHETRA PRETRA, VOATOKANA, LAHIKA: TOLAGNA HOMBA ANTSIKA MIANAKAVY ANIE NY FIADANAN’NY TOMP “TSY ISIKA FA NY FAHASOAVAN’ANDRIAMANITRA MIARAKA AMINTSIKA....”

Noho ianareo nandray ny teny tamin’ny fahoriana be (KORONTANAVIRUS) sy tamin’ny hafaliana avy amin’ny Fanahy Masina (PANTEKOTY VAOVAO), dia tonga nanahaka ny Tompo ianareo, ka tonga fakàn-tahaka ho an’ny mpino rehetra…” (1Tes 1, 6) Milaza miara-mahita isika fa maro ny zavatra mikorontana nentin’ity Krizy ity izay azo lazaina fa tsy krizy ara-pahasalamana fotsiny fa maro lafy indrisy ka betsaka ny zavatra potika : very fanahy mbola velona ny maro, very repères (tondrom-piainana), very identité (ny maha-izy azy), very ny soatoavina ….

FILAN-KEVITRA IOMBONAN’NY DIOSEZY - FEHIN-KEVITRA

« Homba antsika mianakavy anie ny Fiadanan’ny Tompo » « Tsy isika fa ny Fahasoavan’Andriamanitra miaraka amintsika… » Ho antsika Olo Araiky Pretra, Voatokana, Lahika

Notanterahina ny faha-16 ka hatramin’ny faha-21 jolay 2018 tao amin’ny Centre Spirituel Saint Augustin ny Filan-kevitra pastoraly voalohan’ny Diosezin’Antsiranana. Nandray anjara feno tamin’izany ny tolagna, dia ny Pretra, Voatokana, lahika izay miisa 112, avy amin’ny lafivalon’ny Diosezy. Miaramisaotra an’Andriamanitra isika noho ny fitantanany sy ny fanilovan’ny Fanahiny; isaorana indrindra isika niara-niasa loha na ny lavitra na ny akaiky tamin’ny fanohanana am-bavaka.

Taratasy pastoraly laharana faha-5

« Izay mitoetra ao amiko sy itoerako no mamoa be……. Izaho no milaza izany
aminareo, dia mba ho ao aminareo ny fifaliako, ary mba ho lavorary ny
fifalianareo » (Jn 15, 6, 11)
Efa manomboka mipetraka ny rafitra eto anivon’ny diosezintsika. Isaorana Andriamanitra. Isaorana
koa isika Olo Araiky. Miroso àry ny dia amin’ny fanorenana ny Eglizy trano fa indrindra ny Eglizy Olo.