FANDALINAM-PINOANA / TORITENY

ALAHADY TSOTRA FAHA-29 mandavantaona B2021

Fa ny Zanak’olona tsy mba tonga hotompoina, fa mba hanompo ary hahafoy ny ainy ho fanavotana ny maro » (Mk. 10, 45)


Ry Kristianina havana, efa roa alahady sahady izao no niarahantsika niatrika ny Sinaody ary mampisaotra an’Andriamanitra fa indrindra ny fankalazana ny faha-120 taona teny ETA ambany fiarovan’I Masina Misely Joffre Ville. Mankasitraka mankatelika isika EOV Jiaby samy nandray an-tanana. Miara-dalana amin’ny Eglizy eran-tany isika amin’izao Sinaody izao, izany rahateo moa ny dikan’ny atao hoe “sinaody” (miara-dalana jereo logo). Ny Teny fanevan’ny Sinaody eran-tany dia ny hoe : EGLIZY MIARA-DALANA MIATRIKA SINAODY FIOMBONANA, FANDRAISANA AN-TANANA, IRAKA. Fa ny antsika eto amin’ny diosezy kosa, EGLIZY OLO, VELOMIN’NY BATEMY KA ZARY TABERNAKLA VELONA. Miroso ny dia na dia mideza aza satria tsy misaraka amin’ny ady isan-karazany vokatry ny sakana maro. Tsy irery isika amin’izany satria eo Ilay Reny tsy mandao. Ao anatin’ny volan’ny raozery isika izao. Manohy ny fibanjinana ireo misterin’ny fanavotana antsika olombelona isika amin’ny alalan’ny Rozery izay iarahantsika amin’i Masina Maria dia ny mistery fahatongavana ho nofo, mistery mampalahelo, mistery mamira-pahazavana, ny mistery fitsanganan-ko velona dia ny mistery be voninahitra.....[.........]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

ALAHADY TSOTRA FAHA-28 mandavantaona B2021

METY HISAKANA TSY HO TAFIDITRA ANY AN-DANITRA NY MIFIKITRA AMIN’NY HARENA

 
Ry Kristianina havana, herinandro izay no nankalazantsika ny faha-120 taona ny ETA Masina Misely Arkanjely ary ny nidirantsika amin’ny SINAODY izay ny teny faneva manentana antsika dia ny hoe : EGLIZY VELONA, VELOMIN’NY BATEMY KA ZARY TABERNAKLA VELONA. Miara-dalana amin’ny Eglizy Erantany isika ka ny teny faneva dia tena mifanaraka amin’ny sinaodantsika : FOMBA FISAINANA NY SINAODY MBA HO FIOMBONANA (Eglizy velona), FANDRAISANA AN-TANANA (velomin’ny Batemy), IRAKA (Tabernakla). Ny tena mahavariana dia fomba fiasa : samy miainga avy amin’ny fototra ary mampiasa ny « mijery, mitsara, mankalaza »…. Fa ny fotoana no samihafa satria ny sinaoda eran-tany mandritra ny telo taona fa ny antsika kosa mandritra ny dimy taona satria tiantsika hivahatra bebe kokoa ny finoana mba ho tena Olon-dehibe amin’ny finoana, fanantenana, fitiavana satria isika izao no misionera ary isika izao no génération mpanorina....[....]

 

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

ALAHADY TSOTRA FAHA-27 mandavantaona B2021

Koa aoka izay nakamban’Andriamanitra tsy hosarahin’olombelona “ (Mk. 10, 9)

 
Ry Kristianina havana, amin’izao Alahady 3 Oktobra 2021, Alahady tsotra faha-27 mandavantaona izao no mankalaza amin’ny fomba manetriketrika isika eto amin’ny diosezy ny faha-120 taonan’ny ETA eto amin’ny Joffre-ville ary indrindra hidirantsika amin’ny fankalazana ny SINAODY ka ny lohahevitra sady tanjona no toe-panahy manentana antsika dia ny hoe EGLIZY VELONA, VELOMIN’NY BATEMY KA ZARY TABERNAKLA VELONA. Mahavariana ny fandaharan’Andriamanitra fa ny lohahevitra amin’izao alahady faha 27 dia mikasika ny dinika irintsika atao : fianakviana iray ny Olombelona…Tsara ihany koa ny manamarika fa ao anatin’ny volana oktobra isika izao ka miaraka amin’I Masina Maria amin’ny alalan’ny raozery masina izay ibanjinana sy andalinantsika ireo mistery efatra ny misterin’ny famonjena dia ny misterin’ny fahatongavana ho nofo, mistery faharoa mistery famirapiratana fahazavana, mistery izay I Md Papa Joany Paoly faharoa no namorona azy, mistery ibanjinantsika ny asam-pamonjena notanterahin’I Jesoa rehefa nitoriteny Izy, fahatelo mistery mampalahelo ibanjinantsika ny fanolorantenan’I Jesoa ho fanavotana antsika ary fahaefatra ny mistery be voninahitra izay maneho ny fitsanganan-ko velona.......[.......]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

ALAHADY TSOTRA FAHA-26 MANDAVANTAONA B2021

“ Fa izay tsy manohitra antsika dia momba antsika » (Mk. 9: 39)“

Ry Kristianina havana, tamin’ny Alahady lasa teo isika nanantitrantitra ireo toetra fototra lehibe nahatonga an’i Jesoa nanambara fa tsy maintsy manana ny toetry ny zazakely isika eo amin’ny fifandraisantsika andavanandro sy nilazany koa fa izay te ho lehibe aminareo aoka izy ho tahaka ny zazakely ary ho vonona hanompo satria izany no làlana hahafahana miroso lalindalina kokoa amin’ny fiainana sy fiombonana amin’Andriamanitra. Averintsika vetivety ireo toetry ny zazakely tsara ananana : fitokisana an’Andriamanitra, fahatsorana mitondra amin’ny marina mandrakariva ary fahadiovam-po.....[........]

Tsindrio eto hihaino ny toriteny

ALAHADY TSOTRA FAHA-25 MANDAVANTAONA B2021

 “NY FIALONANA MANDRAVA FITIAVANA, NY FANETREN-TENA AHAVITANA SOA”

 

Ry kristianina havana malala, efa akaiky tokoa ny fankalazana ny SINAODY sy ny fankalazana ny faha-120 taona ny ETA eny Joffre-Ville. Tsy afaka misaraka ireo satria manambara fa efa mivahatra ny finoana na dia tsy lavorary ka izay indrindra anefa no hamafisintsika amin’ny SINAODY izay iombonantsika amin’ny sinaody eran-tany izay lohahevitra mifanojo amin’ny sinaody ataontsika na ny lohateny aza : fanirahana, fandraisana an-tanana, fiombonana (mission, participation, communion). Tsy ho ela dia ho eo am-pelantantsika ny taratasy fiantsoana ny Sinaody amin’ny fomba ôfisialy araka ny lalàn’ny Eglizy. Manaraka eo ihany koa ny anaran’ireo tendrena hanatrika ny sinaody araka ny sokajiny avy. Matoa imbetsaka i Jesoa no manambara ny fijaliana sy ny fahafatesany. Ao amin’ny Evanjely nosoratan’i Md Marka dia intelo i Jesoa no nampianatra sy nanambara mialoha tamin’ireo mpianany ny Misterin’ny Pakany.......[........]

 

Tsindrio eto hihaino ny toriteny