RENIN’ANDRIAMANITRA SY MPANJAKA VA VIN’NY FIADANANA I MASINA MARIA
Ry Kristianina havana, mbola anatin'ny fankalazana ny fetin'ny Noely isika amin'izao andro voalohany taona "1er janvier" izay ankalazantsika an'i Masina Maria Renin'Andriamanitra ka an-karavoana sy an-kafaliana no iarahabana antsika olo araiky jiaby. Izao voalohan-taona izao dia fankalazana telo sosona no ataontsika :
Andro voalohany Janoary, voalohan'ny taona araka ny"calendrier civil" fa araka ny calendrier liturgique dia efa nankalazaintsika izany tamin'ny Alahady voalohan'ny Fiaviana taorian'ny fankalazantsika an'i Kristy mpanjaka ary nanatanterahantsika ny Sinaody tapany voalohany ary nampiditra antsika amin’ny Sinaody tapany faharoa : FIANAKAVIANA EGLIZY KELY MIARO NY TONTOLO IAINANA. Azo lazaina fa izao taombaovao izao no hanampy antsika hiroso lalindalina kokoa amin’ny dinika fa indrindra amin’ny fantanterahana ny ezaka hivelomana io sinaody tapany faharoa io. Ny hafatr’I Papa amin’izao 1 janvier tokoa dia mampitodika antsika amin’ny fiarovana ny tontolo iainana......[.......]

