« NA OSA AZA ISIKA EO I KRISTY HO HERINTSIKA… »
Ry Kristianina havana mitohy hatrany ny dia na dia eo aza ny ady amin’ity KORONTANAVIRUS ity izay mitady hanapotika hatrany ny fiainantsika manontolo. Krizy maro lafy, hoy isika, fa tsy krizy ara-pahasalamana fotsiny. Raha ny Evanjely tamin’ny Alahady lasa teo no jerena dia maro ireo olona natoky sy nino an'i Jesoa ho Andriamanitra, ka nahazo fanasitranana sy ny fahasoavana tamin'ny fanahy amam-batana. Matokisa hatrany isika fa na dia mila ho rendrika aza isika « na osa sy malemy aza isika fa raha eo anivontsika i Jesoa dia izy no herintsika ». Izany no fotokevitra amin’izao Alahady faha 14 mandavantaona izao. Matetika diso fomba fijery isika. Matetika tokoa isika fa isika no mila an’Andriamanitra fa indrindra rehefa tojo fahasahiranana. Raha ny marina Andriamanitra no mila antsika. Izany hoe mila antsika mino azy Izy mba ahafahana manatantanteraka amin’ny alalantsika ny sitrapony ary tokana ny sitrapony dia isika ho voavonjy, ho sambatra. Izany ihany koa ny dikan’ny fivavahana. Raha ny tena marina mivavaka isika satria ilain’Andriamanitra hatoky Azy ka ahafahany miasa amin’ny alalantsika......[........]
Tsindrio eto hihaino ny toriteny