TOETRA MAHITSY SY MANETRY TENA NO ILAINA HANOMPOANA NY EGLIZY
Ry Kristianina havana, miroso hatrany tokoa isika amin’izao fiaingana vaovao izao, izao depart vaovao izao ao anatin’ny Pantekoty Vaovao ka hahatonga antsika hivelona ny teny fanevan’ ny Sinaody faha-7 EGLIZY OLO VELOMIN’NY BATEMY MIARA-DIA MIOMBONA MANDRAY AN-TANANA IRAHINA HO MISIONERA, TABERNAKLA VELONA. Isaorana Andriamanitra fa nahavita ny fijanonana roa isika izao ka miroso hatrany ny dia. Ny fijanonana voalohany no nandinihantsika ny “fianakaviana Eglizy kely miaramivavaka miara-mandalina ny finoana”. Ny fijanonana faharoa vao natrehintsika kosa izay tena miditra lalina amin’ny fiainantsika dia ny Eglizy kely miara-manaja, miaro, mikolokolo ny zava boahary......[........]

