Ny Rainao izaymahitanymiafina no hamalysoaanao.
Ry Kristianina havana, amin'izao Alarobia fanosorana ny lavenona izao no vanim-potoana lehibe entintsika miomana amin'ny Paka izay fandalovana, miala amin'ny ratsy miditra amin'ny tsara, miala amin'ny fahafatesana miditra amin'ny fiainana, miala amin'ny fahotana miditra ao amin'ny fiadanana ary dia atombontsika androany Alarobia mamarana ny volana febroary ka mampiditra antsika koa tsy ho ela amin’ny volana Martsa, volan'I Md Josefa volana izay iatrehantsika ny pelerinajy eny amin’ny La Montagne des Français sy fanatanterahana ihany koa ny Messe Chrismale.
Tanisaina izany rehetra izany satria tena vanim-potoana lehibe tokoa ny miantomboka amin’izao fa indrindra ao anatin’ny fantanterahana ny Sinaody Tapany Faharoa. Aoka hararaotintsika ny volan’I Md Josefa handray azy ho modely amin’izao fanaovantsika ny Sinaody sady indrindra amin’izao fiomanana ny Paka amin’izao vanim-potoan’ny Karemy izao......[.......]