« Dia mba notantarain’izy ireo kosa ny zavatra niseho taminy teny andàlana sy ny nahafantarany azy tamin’ny famakiana ny mofo"
Ry Kristianina havana, tena mbola ao anatin'ny hafalian'ny Paka tokoa isika ka asiantsika Aleloia ny fiainana, izany hoe miara-dàlana amintsika i Jesoa nitsangan-ko velona, mpiara-belona amintsika.Izy no làlana sy fahamarinana ary fiainana. Eo anivon’ny fiainantsika miatrika krizy. Miara-dalana amintsika mamakivaky ny tontolom-piainantsika manahirana. Izany no ankalazaintsika amin'izao Alahady fahatelo amin’ny Paka izao. Ny Evanjely androany tokoa dia mitantara an’ireo
mpianatra roalahy avy tany Emaosy, avy any Jerosalema ilay tanàna masina. Tena maneho ny endriky ny fiainantsika ny
tantaran’ireo Mpianatra roalahy. Namakivaky ny Herinandro masina isika tamin'ny lohahevitra hoe :"miara-miditra amin'i Jesoa ao Jerosalema isika". Jerosalema
ilay tanàna masina sy fiadanana, ka raha miara-maty amin'i Jesoa tokoa isika amin'ny fahotana dia miara-mitsangana aminy ka handray ny fiadanana tena izy araka ny voalazany fa tsy ny fiadanana araky ny omen'izao tontolo izao. Mamakivaky ny fiainana miaraka amin'i Jesoa àry isika, mpiara-belona amintsika Izy, tsy lavitra Izy na lasa any an-danitra aza.......[.........]