Ny Tavany namirapiratra tahaka ny masoandro.
Ry Kristianina havana, izao Alahady izao dia Alahady faha-18 mandavantaona fa noho izy mifanojo amin'izao daty 06 aogositra izao izay ankalazana amin'ny fomba manetriketrika ny fiovan'ny Tompo tarehy teo an-tendrombohitra, dia izay fankalazana izay no tsaroantsika manokana anio. Tsara ihany koa ny mampahatsiahy fa anio ny fanirahana an’ireo tanora marobe mitraotro aty Lisbonne toerana anaovana ny JMJ. Araka ny efa naverina matetika amintsika, ny lohahevitra dia I Maria nijoro nandeha haingana…. Azo lazaina àry fa mifanaraka amin’izao fankalazana ny Fiovan’ny Tompo tarehy anio izao izany lohahevitra izany satria manantena isika fa ireo tanora teto Lisbone, noho ny Fahasoavan’Andriamanitra, dia nifanojo tamin’I Jesoa ka niova, nibebaka ka tahaka an’I Maria vonona hijoro ary hiainga miala eto hitondra an’I Jesoa hanavao izao rehetra izao fa indrindra ny fifandraisana amin’ny lafiny telo izay mandrafitra ny mahaolona isika ka hivelona indray ny vôkasiontsika olombelona araka ny naharian’Andriamanitra antsika dia ny fifandraisana amin’ny zava-boaary.....[........]