« Dia nanatona i Jesoa, nandray ny mofo, sy nanome azy ireo » (Jo. 21 : 13)»
Ry Kristianina havana, mbola ao anatin’ny Alahady fankalazana ny Paka isika. Isaky ny Alahady dia omen’ny Eglizy lohahevitra iray isika hibanjinantsika ny toetran’i Kristy mba hianarantsika miaina ny toetrany ka hahatonga antsika ho Kristianina, Kristy mpiara-belona amin’olona, ho Mpivahinin’ny Fanantenana isika amin’izao taon-jobily izao. Isika izao no mpamafy ny fiadanana sy fanantenana ary fihavanana fa indrindra amin’izao andro sarotra diavintsika ka nahatonga ny Eveka eto Madagaskara hanokana ny tanindrazantsika sy isika jiaby amin’ny Fo Masin’I Jesoa izao. Mila Fo izao androntsika izao, Fo manahaka ny Fo Masin’I Jesoa ho loharanon’ny famelan-keloka sy famindram-po izay fototry ny fihavanana handrindra indray ny fifandraisana na amin’ny tontolo iainana izay efa tena potika....[....]

