Na iza na iza tsy mahafoy izay rehetra ananany dia tsy mendrika ho mpianatro.
Ry kristianina havana, raha tamin'ny Alahady lasa teo nampisongadina fa raha te-hiditra ho anisan'ny fianakaviamben'Andriamanitra isika, ho olo araiky ao aminy ho Fratelli Tutti ka Mpiray Tampo ao Aminy dia tsy maintsy manahaka an'i Jesoa, Izy izay Andriamanitra dia nanaiky nanetry tena nidina farany ambany hoy Md Paoly ao amin'ny taratasy ho an'ny Filipiana. Natitranterintsika fa tsy maintsy manana fanetren-tena sy halemem-panahy ary fahatsorana isika ary izany no fanahafana an'i Kristy.
Amin'izao Alahady faha-23 mandavantaona izao dia miombona amin'ireo any Roma miatrika ny fanambarana ho Olomasina an’i Carlo Acutis sy Pier Giorgio Frassati isika, noraisin’i Papa François ho modely sy mpivavaka ho an’ny tanora amin’izao taon-jobily izao.....[....]

