FANDINIHANA NY FIJALIAN’NY TOMPO
Ry Kristianina havana, miditra amin’ilay herinandro lehibe amin’ny tantaram-pamonjena antsika isika amin’izao Alahady fahatsiarovana ny nidiran’i Jesoa tamim-boninahitra tao Jerosalema izao, izany hoe ny Alahadin’ny Sampankazo araka ny mahazatra antsika. Araky ny averimberina matetika amintsika rehefa mankalaza isika noho ny asan’ny Fanahy Masina dia tsy hoe mahatsiaro fotsiny ny zavatra nitranga tamin’izany fotoana izany isika fa noho ny fanentanan’ny Fanahy masina dia mivelona izay ankalazaina ary dia izany no irin’ny Eglizy sy anentanany antsika amin’izao Herinandro masina izao fa indrindra isika miatrika izao zava-misy na eo anivon’ny firenena ary indrindra eo anivon’ny firaisam-pirenena izao.....[.....]

