Mifankatiava, ary aoka ho toy ny nitiavako anareo no hifankatiavanareo.
Ry kristianina havana, miombona amin’ny Kristianana any Roma isika mitalaho ny Fanahy Masina ho an’I Papa Leon XIV mba hahafahany mitarika ny Eglizy araka ny sitrak’Andriamanitra ka ho tena fahazavana sy fanisana eo anivon’izao tontolo izao izay very fanahy mbola velona. Miombona amin’ny kristianina rehetra sy ny vahoaka Malagasy rehetra koa isika Olo Araiky jiaby miaraka manokana an’ity Madagasikara ity amin’ny Fo Masin’I Jesoa fa mila fo izao andro iainantsika izao. Tsy fo taova fa fo mitempo famindram-po sy fitiavana tahaka ny Fon’I Jesoa ka hifamindra fo sy hifamela heloka ny Malagasy rehetra hanorina Tranobe Iombonana anjakan’ny rariny sy hitsiny, ny fiadanana, ny fihavanana sady kristianina no Malagasy.....[.....]