Mifohaza ianao, ka ento ny Zazakely sy ny reniny
Ry Kristianina havana, mankalaza manokana ny Fianakaviana Masina isika androany dia ny fianakaviana nisy an'i Jesoa, Maria ary Josefa ary anio koa araka ny hafatr’i Papa no hamaranana ny taon-jobilin’ny fanavotana ka hanakatonana ny Varavarana Masina. Ny Varavarana Masina no mikatona fa ny fanantenana nentin’ny fankalazana mitohy satria “tsy manodoka ny Fanantenana dia i Kristy izay tonga eo anivontsika”. Tsy mahagaga raha alahadin’ny Fianakaviana Masina no hanakatona azy ary isika izao no misolo ny fianakaviana rehetra manambara na dia eo aza izao krizy mafy dia matoky isika fa miara-dalana amintsika ka ho tonga amin’ny tena fiainana isika mianakavy. Tsy afenina tokoa fa marary ny fianakaviana ka mila ny fanasitranana avy amin’Andriamanitra. Raha marary ny fianakaviana dia marary ny fiaraha-monina, marary ny firenena....[.....]

