MAHANDRY ANDRIAMANITRA ARY MAMINDRA FO
Ry Kristianina havana, sahiran-tsaina tokoa isika mianakavy miatrika izao krizy maro lafy izao ka mahatonga ny maro very fanahy mbola velona… Raha ny olon’izao tontolo izao dia fomba fijerin’izao tontolo izao no entintsika miatrika izao krizy izao. Tsy mahagaga raha very fanahy mbola velona satria tsy manana “repère”, tsy misy lalan-kaleha ka kivy. Isika kosa manana an’i Kristy lalana sy fahamarinana ary fiainana. Izy ilay tsy miova omaly anio ary mandrakizay ka matoky isika na dia eo aza ny krizy. Tsy ny krizy izany no manana ny teny farany fa I Kristy, izany hoe izay miombona amin’I Kristy......[......]

