Alahady 01 novambra 2015
Fankalazana ny olomasina rehetra
Alahady Faha – 31 tsotra Mandavan-taona (Taona B)
Raha ny tokony ho izy dia mankalaza ny Alahady Faha – 31 tsotra Mandavan-taona isika androany, saingy fantantsika tsara fa anio Alahady 01 Novambra dia fankalazana ny Olomasina rehetra, noho izany dia manasa antsika ny Fiangonana androany mba hitodika manokana amin’Andriamanitra ka hanandratra vavaka miaraka amin’ireo Olomasina rehetra efa sambatra mandrakizay any an-danitra ka mivavaka ho antsika ihany koa.
TORITENY - FAMPIANARANA
Ry Kristianina havana, isan’andro dia maro ny olomasina ankalazaina hitantsika amin’ny calendrier, ary fantantsika koa fa ny vakiteny voalohany dia manantitrantitra an’izay fa maro ny voavonjy, ny antony dia tokana i Jesoa no tonga teto anivontsika nanolotra ny ainy dia hamonjy antsika ary Andriamanitra tsy nahary atsika amin’ny fahafatesana, amin’ny fahalovana fa nahary atsika amin’ny fiainana ary fiainana feno fahasambarana ao aminy. Nohariany hitovy endrika aminy isika, ka ny fitovina endrika aminy dia ny fiombonana aminy. Ary izay fiombonana aminy izay no tena fiainana, izay no naharian’Andriamanitra atsika, izay no vocation-tsika jiaby mba hiombona amin’Andriamanitra.
Izay no ankalazaintsika amin’izao voalohany volana novambra izao, Toussaint, fankalazana manetriketrika ny fetin’olomasina rehetra. Ambaran’ny tenin’Andriamanitra androany fa indrindra ny vakiteny voalohany izay mitantara fa nandresy tokoa i Kristy ary nomen’Andriamanitra ny fahasoavana isika ary hiombona aminy tanteraka hidera sy hanome voninahitra ho an’Andriamanitra, tahaka ny anjely, izay ny dikany masina masina ataontsika amin’ny fankalazana ny eokaristia, satria ny eokaristia dia fisantarana an’izay fiombonana any an-danitra izay. Ny dikany hoe “kominio”, fiombonana amin’i Kristy Mpandresy ary dia efa misantatra sahady amin’izay fiainana ao amin’Andriamanitra izay isika. Ary izay no ambaran’ny taratasy nosoratan’i Md Joany amin’ny vakiteny faharoa : hahita an’Andriamanitra araka ny tena toetrany isika (1 Jo. 3, 2) ary izay ny fahasambarana ho antsika. Sambatra ny madio fo, hahita an’Andriamanitra izy. Naverimberina matetika izay nandritra ny JMJ, ary tohizantsika hohalalinina fa ny fahadiovan’ny fontsika no hahafahantsika miombona tanteraka amin’Andriamanitra. Ary izay rahateo no ambaran’ny Evanjely amintsika.
Matoa ny Eglizy amin’izao fankalazana ny olomasina izao manome atsika ny fahasambarana valo dia misy antony manokana anankitelo satria fampianarana lehibe ho antsika.
Voalohany, efa nolazaintsika teo fa noharian’Andriamanitra amin’ny fahasambarana isika, ary ny fahasambarana hoy isika dia ny fiombonana amin’Andriamanitra.
Faharoa, matoa natolotrin’i Eglizy ireo hasambarana valo dia mahatsiaro ny fampianaran’i Jesoa tany an-tendrombohitra zay hahatsiarovana ihany koa ny nanoloran’Andriamanitra tamin’i Moizy ny didy folo nanorenan’Andriamanitra ny vahoakany. Ny vahoakan’Andriamanitra dia ilay vahoaka voafidiny any an-danitra mankalaza azy, ny olomasina izay.
Fahatelo, ary isika noho ny batemy noraisintsika dia miombona sahady ary raisin’Andriamanitra koa isika any amin’ny fiainana mandrakizay. Ary izay ny hasambarana. Izay ny vahoakan’Andriamanitra ary mivelona ny hasambarana.
Tena fampianarana tiako ampitaina amintsika ary amin’izao isika mankalaza ny fetin’ireo olomasina izao : ireo hasambarana ireo ary tsy hoe « toetra fananana », matetika isika raha mieritreritra fahasambarana dia zavatra hananana izany, sambatra ny manam-bola, sambara ny manana trano, sambatra ny manana voiture fa ny tena hasambarana ambaran’ireto fampianaran’i Jesoa dia mampahatsiaro ny teny folo nanorenan’Andriamanitra ny vahoakany dia fahasambarana manambara ny toe-piainana. Araka ny voalazan’i Jesoa eto, « sambatra ny mahantra am-panahy ». Toe-piainana izay satria tsy mirehareha na feno avonavona na mieritreritra an’izao fa feno fanentren-tena, feno fitokisana an’Andriamanitra. Ary izay fitokisana an’Andriamanitra izay no maha-sambatra ka hahafahana miditra ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra. Ary izay fanjakan’Andriamanitra izay no lanitra honenan’ireo olomasina .
Ary zao koa no ambarany « sambatra izay noana sy mangetaheta ny fahamarinana », toe-panahy izay dia hivelona ny fahamarinana, mampanjaka ny rariny sy ny hitsiny. Ka raha ma mpanjaka ny rariny sy ny hitsiny ianao dia ho voky izy satria sambatra ny manodidina azy, tsy mifanapotika, tsy anatin’ny hery setra fa anatin’ny fandaminana, anatin’ny fahamarinana , fitadiavana ny rariny sy ny hitsiny, miezaka hampanjaka mandrakariva ny filaminana na ao anaty fifanakalozan-kevitra. Ka noho izany ho voky izy, ho voky hasambarana satria ireo anaty hery setra sy fanapotehina ny hafa, ao anaty fangalarana, ao anaty fitapitaka dia ho lasa rano ihany ireny, ho lasa fasika ireny, ho potika ireny.
Izay indrindra ny fahasambarana, toe-panahy ananana, toe-panahy mikatsaka mandrakariva ny rariny sy ny hitsiny. « Sambatra ny mamindra fo fa hamindrana fo izy ary hahita an’Andriamanitra ». Efa manomana sahady isika amin’izany hafatra izany fa ny famindram-po dia toetran’Andriamanitra tokoa. Izay no mahatonga atsika araka ny hafatry ny Papa mankalaza ny taon-jaobily ny famindram-po. Ary ny famindram-po , izany hoe ny toetranao no hampitainao amin’ny hafa ary mandray ny hafa ianao araka ny maha-izy azy. Ka raha izay ny fiainantsika dia hirindra ary hilamina, ary dia hitoetra ao anatin’ny fiadanana isika ary hifamindra fo isika, hifamela heloko toy izay hifanapotika, hifanaratsy, dia miezaka hifanao tsara ka hitady ny soa hiombonana hatramin’ny fanajana ny tontolo iainana, amin’izay dia hirindra tsara tokoa ny fiainantsika. Ary raha mirindra ny fiainantsika dia izay ny lanitra vao ary dia efa santarintsika eto izay.
« Sambatra ny tia fihavanana hoy Jesoa fa antsoina hoe Zanak’Andriamanitra izy » . Tsy mahagaga moa izany fa izay tokoa i Jesoa matoa nanolotra ny ainy teo amin’ny hazo fijaliany izy dia hampihavana atsika amin’Andriamanitra, hampihavana atsika samy olombelona, hampihavana atsika amin’ny tontolo manodidina atsika, io tontolo iainantsika io. Ary izay no mahazanak’Andriamanitra atsika. Araka izay voalaza tsy io fananana io fa toe-piainana izay manambara fa mahay mampitraotra ny finoana sy ny fiainana andavan’andro tokoa isika, tsy misy efitrefitra, tsy resaka fotsiny fa fiainana sy finoana ka ny finoana zary fianana.
« Sambatra ny madio fo, fa hahita an’Andriamanitra izy », ary izay tokoa, io fontsika io, tsy ilay taova araka ny efa voalazantsika matetika no ambara eto fa ilay maha-atsika atsika tokoa. Ka raha madio ny fiainantsika, izay lay hoe mampitraotra ny finoana sy ny fiainana andavan’andro, dia fiainana zanak’Andriamanitra isika ary fiainana misy an’Andriamanitra. Ary dia izay ny lanitra ka mahita an’Andriamanitra isika.
« Sambatra ny miaritra fanenjehana noho ny rariny , fa azy ireo ny fanjakan’Andriamanitra » . Izay tokoa fa tsy maintsy mijoro vavolombelona isika. Toe-piainantsika, fiainantsika io no anambarantsika ny mahazanak’Andriamanitra atsika. Ny teny manaitra fa ny atao mahasarika, ary dia mampiditra atsika rehetraretra amin’ny fiainana. Tsy tany malemy anorenam-pangady izay fiainana hasambarana ao amin’Andriamanitra ka izay no mahatonga ilay hasambarana farany hoe « sambatra ianareo raha tevatevaina, ary iampangana lainga amin’ny ratsy rehetra noho ny amiko, mifalia sy miravoa fa lehibe ny valisoanareo any an-danitra ». Ary dia izay ny valisoan’ireo olomasina ; masina satria ao amin’Andriamanitra. Izay ny fahamasinana ry Kristianina havana dia ny ny toetra ao amin’Andriamanitra. Ary raha misy ny firarian-tsoa sy vavaka atao, dia mba isika rehetra no ho ao amin’Andriamanitra, hiravoravo ao amin’Andriamanitra miaraka amin’ireo olomasina isika.
Ry Jesoa zokinay ô, ambaranao aminay androany ny làlam-piainana izay hahafahana miombona amin’ireo olomasina. Nomenao an’ireo olomasina izahay ho modely aminay, nivelona an’ireo hasambarana nampianarinao izy ireo. Toetra nanananao rahateo ireo ka ampio ary izahay, ombao ny fahasoavanao mba hivelona ny fahamarinana, mba hadio fo ary tsy hatahotra ny hijoro vavolombelona, hampanjaka ny rariny sy ny hitsiny. Ho mpitory ny fihavanana, ho mpivelona ny fihavanana amin’ny toerana rehetra misy anay.
Père Evêque Benjamin Ramaroson