Fidirana ofisialy Sekoly Katolika Madagasikara - Asabotsy 07 novambra 2015

Amin'izao voalohan-taona tahaka izao no anomezan'ny Eglizy eto Madagasikara ho antsika mpianatra hafatra manokana. Hanambara amintsika voalohany fa eo anivon'ny Fon'ny Eglizy tokoa ny fanabeazana satria ny fototry ny fiainana manontolo....

FIDIRANA OFISIALY SEKOLY KATOLIKA MADAGASIKARA ny asabotsy 07 novambra 2015


Vakiteny I : Taratasin'i Md. Paoly Apostoly ho an'ny Romana 16,3-9.16.22-27.

Veloma any amin'i Priska sy Akilasy mpiara-miasa amiko ao amin'i Jesoa-Kristy; nanao vy very hamonjy ny aiko izy mivady ireo, ka tsy izaho irery no misaotra azy, fa ny Eglizy rehetra any amin'ny jentily koa, ary veloma any amin'ny Eglizy rehetra izay ao an-tranony. Veloma any amin'i Epeneto malalako, izay santatr'i Asia ho an'ny Kristy. Veloma any amin'i Maria, izay niasa mafy ho anareo. Veloma any amin'i Androniky sy Joniasa havako sy niara-nifatotra tamiko, izay sady tsara laza amin'ny Apostoly no tao amin'ny Kristy talohako aza. Veloma any amin'i Anfiasa, malalako ao amin'ny Tompo. Veloma any amin'i Orbano, mpiara-miasa amintsika ao amin'ny Kristy, sy Stakisa malalako. Mifampiarahabà amin'ny fanorohana masina. Manao veloma anareo ny Egizin'ny Kristy rehetra. Izaho Tersiosa, izay nanoratra ity taratasy ity koa, manao veloma anareo ao amin'ny Tompo. Manao veloma anareo i Gaïosa, ilay itoeranay, mbamin'ny Eglizy rehetra. Manao veloma anareo i Erasta, mpitahiry ny volam-panjakana eto an-tanàna, sy i Koartosa rahalahy. Ho aminareo rehetra anie ny fahasoavan'i Jesoa-Kristy Tompontsika. Amena. Ary ho an'ilay mahay mankahery anareo araka ny Evanjeliko, izay nitoriana an'i Jesoa-Kristy sy nanambarana ny zava-miafina tsy voalaza hatrizay hatrizay, (fa voaseho ankehitriny tamin'ny soratry ny mpaminany, araka ny didin'ny Andriamanitra mandrakizay, ka nampahafantarina ny firenena rehetra mba hanekeny ny finoana) dia ho an'Andriamanitra, ilay hany hendry anie, ny voninahitra mandrakizay mandrakizay, amin'ny alalan'i Jesoa-Kristy. Amena.

 

EVANJELY : Evanjely Masin'i Jesoa Kristy nosoratan'i Md. Lioka 16,9-15.

Ka hoy aho aminareo: Aoka ny harena tsy marina no hahazoanareo sakaiza, mba handraisany anareo any amin'ny tranolay mandrakizay raha avy izay haharerahanareo. Izay mahatoky amin'ny kely, dia mahatoky koa amin'ny lehibe, ary izay tsy marina amin'ny kely, dia tsy marina koa amin'ny lehibe. Koa raha tsy mahatoky amin'ny harena tsy marina hianareo, iza no hametraka aminareo ny harena marina? Ary raha tsy mahatoky amin'izay anareo hianareo, iza no hanome anareo izay anareo? Tsy misy mpanompo mahay manompo tompo roa, fa na hankahala ny iray izy ka ho tia ny anankiray; na homba ny anankiray kosa ka hanamavo ny iray indray. Tsy mahay manompo an'Andriamanitra sy ny harena hianareo. Ny Farisiana izay fatra-pitia vola dia mba nihaino izany rehetra izany koa, ka dia naneso azy. Fa hoy izy tamin'izy ireo: Hianareo dia mpanamarin-tena eo imason'ny olona, nefa fantatr'Andriamanitra ihany ny fonareo, ary izay ambony eo imason'ny olombelona dia fahavetavetana eo anatrehan'Andriamanitra kosa.

 


TORITENY nataon'i Mgr Benjamin Ramaroson


Monseigneur rahalahy, isika pretra rahalahy, Monsieur le ministre sy ireo mpiara-dia aminy, isika tompon'Andraikitra eo anivon'ny sekoly katolika eto anivon'ny firenena sy anivon'ny arsidiosezin'Antananarivo, ianareo directeur isan-tsokajiny mikarakara sy manabe ny sekoly katolika, isika tompon'andraikitra rehetra eo anivony fanabeazana, isika zandry malala mitodika aminareo fa andronareo ity anio ity. Izao tokoa ny androm-pahasoavana ho antsika. Ny mahavariana ahy, tsy isika no nifidy ny vakiteny androany fa efa vakiteny atolotry ny Eglizy ho sakafom-panahy ho antsika Kristianina kanefa tonga dia efa natolotr'Andriamanitra ho antsika tokoa, ho cadeau amin'izao fidirana taom-pianarana vaovao izao. Satria efa ho roa taona izay isika no namakivaky ny lohahevitra : "Harena ny harena raha mamokatra tsy ho anao fotsiny fa mamokatra ho an'ny be sy ny maro". Indro ary i Jesoa milaza amintsika, tena tia atsika i Jesoa, variana mihitsy aho.


Ry zandry malala tia atsika i Jesoa, atsangano ny tanan'izay tsy tia an'i Jesoa ary atsangano ny tanan'izay tia ! Izaho no manangana voalohany, misaotra betsaka Jesoa fa tia anay ianao. Ka inona ny ataonay, tonga dia teneno aminay izao anie izany harena izany. Rankizy, misy harena anankiroa ho izy Jesoa : misy ny harena marina, misy ny harena tsy marina. Inona ny atao hoe harena tsy marina, ary inona ny atao hoe harena marina. Hanomboka ny taom-pianarana isika dia efa ambaran'i Jesoa ary fa tsy maintsy misafidy isika fa misy ny mena miraviravy mamitaka ny maso ka mahavoasarika nefa harena tsy marina iny ary fantaro, averiko matetika rehefa miresaka aminareo aho fa ny nenina tsy mba aloha fa ao aoriana handantsa. Raha ny fiainana no mandatsa tsy misy azonao atao fa raha ny namana no mandatsa mbola azonao atao mifampiraharaha aminy ; aoka re zay fa mba aza manao an'izao ianao. Fa raha ny fiainana no mandatsa tsy azo raofina intsony, dia izay mahatonga mampiteny hoe ; hoatrizay aho mba...... fa ohatra fotsiny izany fa tanteraho. Ka izay indrindra Razandry mitodika aminareo aho, eo koa ianareo mpanabe, eo rahateo ianareo tompon'andraikitra amin'ny firenena : Amin'izao voalohan-taona tahaka izao tokoa no anomezan'ny Eglizy eto Madagasikara ho antsika mpianatra hafatra manokana. Matoa tonga eto ireto Raiamandreny ireto te- hanambara amintsika voalohany fa eo anivon'ny Fon'ny Eglizy tokoa ny fanabeazana satria ny fototry ny fiainana manontolo ao anatin'izay fanabeazana izay. Ary izay no hisontonako ho fampianarana ny hafatry ny Papa, hafatra nosoratany hoe : Izao tontolo izao dia trano iombonana ka ny trano iombonana misy amintsika amin'izao fotoana izao dia marary. Izaho tsy handeha lavitra fa ny trano iombonantsika eto Madagasikara dia marary ary mitady hirodana amin'ny lafiny maro satria io trano iombonana io no harena voalohany dia ity Madagasikara ity. Marary izy, milaza miara-mahita isika rehetra, isika mahafantatra tsara fa misy harena anefa eto amin'ity tanintsika ity. Ary averimberina amintsika izany manana harena i Madagasikara nefa raha misy ny mahantra indrindra dia i Madagasikara. Araka ny voalazan'ny manam-pahaizana fa tsy izaho no nilaza an'ity, matetika manko ny telo voalohany no mahazo valisoa fa isika dia efa any amin'ny faramparany any, raha tsy efa amin'ny farany any, enga anie diso aho fa zaho tsy manam-pahaizana amin'izay. Fa ny zava-misy anefa f'efa milaza fa marary ny firenentsika, ka noho izany tsy ny hoavy intsony no tsaboina fa isika, tsy mitsinjo ny hoavy. Araka ny voalazan'ny hiram-pirenentsika maniry tanindrazana sambatra, maniry firenena miadana. Tsy tokony faniriana intsony izany amin'izao, izay ny hilazantsika hoe : ANIO NY HOAVY FA TSY RAHAMPITSO ary isika izao no harena, ka raha isika izao no potika dia potika ny trano iombonana dia i Madagasikara. Marary ny trano iombonana eran-tany hoy ny Papa noho ny tontolo iainana efa potika ary ao anaty tontolo iainana io tsy hoe ny rivotra fotsiny. Hitantsika teto Antananarivo izany ireny rahona nandrakotra atsika teto vao tsy ela raha nisy indroa herinandro, izay manaporofo fa ny tontolo iainantsika marary. Ka anaty tontolo iainana io dia tsy hoe ny rivotra fotsiny fa ny fiainantsika andavanandro ary raha izay no hitohy dia ho sempotra isika, ho faty. Eny tsy hitantsika tsara ny fiovan'ny toetrandro ary namparary ny maro aza, ka raha izay no hitohy dia potika ny trano iombonana dia ity tanindrazantsika ity, ary tsy iza ny hitsabo azy ny hitondra fanafody fa isika ihany. Ka io indrindra ary araka ny tenin'Andriamanitra, araka ny fampianaran'i Kristy, tsy maintsy misy safidy apetrantsika mazava : Aiza no tompointsika ? tsy maintsy misy izany ny fanompoana, izay aloha dia mazava. Fa iza no tompointsika : harena tsy marina ve sa harena marina ?


Tsy maintsy misy safidy, matetika aho no mamerina io teny io amintsika isaky ny fanombohana ny taona tahaka izao. Raha misy safidy, tsy maintsy misy afoy, tsy maintsy misy avela, inona ary ity harena tsy marina ka maha-potika ny trano iombonantsika ity ? ary mahatonga ny hoavy izay ho maizina tokoa. Nefa araka ny lazaintsika ny hoavy anefa dia isika, anio ny hoavy fa tsy rahampitso, ary dia fantantrantsika izany.
Inona io harena tsy marina io ? Dia lazain'i Jesoa mazava fa ny fitiavan-tena ny harena faran-tampony manapotika atsika, izay lazainy hoe manamarin-tena satria misy ny fitiavan-tena. Ary io fitiavan-tena io dia mahatonga ny herisetra rehetra ary manapotika zavatra maro ka raha misy ny ezaka tsy maintsy atao, ny dingana voalohany fiadiana amin'ny fitiavan-tena. Io no mahatonga ny fitiavam-bola, tsy ny vola no ratsy fa ny fitiavan-tena ka ifikiranao amin'ny tenanao ka anapotehanao ny hafa. Izay ny mahatonga ny tsy fampanjakana ny rariny sy ny hitsiny, ary ny faran-tampony dia ny herisetra hanapotehana ny zava-drehetra hatramin'ny tontolo iainana, ary io no mahatonga afobe. Lay paradisa zary afobe noho ny fitiavan-tena. Vokatr'izay fitiavan-tena dia mamarotra tena, mamarotra tanindrazana satria tadiavinao ho anao daholo ny zavatra rehetra eo amin'ny fiainanao. Ny fitiavan-tena no hamonoana hatramin'ny zaza vao notorontoronina tao ankibo aza dia manjary vonoina, manao ny fanalan-jaza. Noho ny fitiavan-tena ihany koa no anaovana ireny doro tanety sy ny sisa ireny, ary noho ny fitiavan-tena dia anapotehana ny hafa ka tsisy intsony ny maha endrik'Andriamanitra ny olona. Ary matoa noharian'Andriamanitra isika dia hikolokolo an'izao tontolo izao fa tsy hanapotika an'izao tontolo izao : ity trano iombonana ity. Matoa Andriamanitra mametraka atsika amin'ity nosy malalantsika ity araka ny hira nataontsika ary hiram-pirenentsika dia hikolokolo azy fa tsy hanapotika azy ka mila fivoam-penitra mahery vaika izay ho antsika. Ka izay ary ry Razandry malala sy ny tompon'Andraikitra rehetra : raha io ary ny zava-misy tsy hoe mitanisa aho araka ny nolazaina teo, avy amintsika io ary aza mifanome tsiny fa isika no manapotika ity trano iombonantsika ity noho izay fitiavan-tena izay ka izay indrindra ny fanabeazana ilaina.


Ilaina izany amin'izao ny mamboly, nopotehina ny tontolo iainana ka tsy maintsy mamboly. Tsy fitiavana tanindrazana fotsiny na ny fitiavana namana fotsiny fa tsy maintsy ho tonga amin'ny fahafoizana isika ary izay ny atao hoe patriotisme. Tsy nationalisme no tadiavin'ity tanindrazantsika ity, ilaina izay ny dingana fa amin'izao fotoana izao ny fahafoizan'aina ary ampianarina amintsika eo anivon'ny sekoly. Izay no dikany hoe EVA (Education à la Vie et à l'Amour) satria izay mahafoy mamelona. Izay mahatonga aho milaza amintsika hoe : izay mandoro tanety tsy hoe mandoro tanindrazana fa izay mandoro tanety mamono taranaka, tadidio tsara izay. Ny mandoro tanety tsy hoe mandoro tanindrazana, ny razana anie efa maty ka inona koa ny hikolokoloana ny razana efa maty, izy aza ny mikolokolo atsika. Zay no mahatonga atsika miteny hoe izay razana tsy mitaha... fantatrareo ny tohiny. Tsy ny tanindrazana no sarobidy fa ny taranaka, ianareo izao sy ny hoavinareo. Ka izay mandoro tanety, mamono taranaka. Ampianarintsika izay, hanabeazantsika fa ny fianako manontolo tsy maintsy mahafoy aho. Mbola misy tohiny io, izay mandoro tanety mamono taranaka, izay mamboly hazo manome aina. Zay lay maitso, fanantenana satria aina avy amin'ny Fanantenana ary fanantenana manome aina. Raha mbola misy velona, raha mbola mitepotepo ny aina dia misy fanantenana. Zay no mahatonga ahy mamporisika anareo momba ny fanabeazana satria manana fanantenana avy aminareo amin'ny hoavin'ity trano iombonana ity, ny tontolontsika, soa iombonana. Hitantsika tao amin'ny vakiteny voalohany nosoratan'i Md Paoly androaany : rehefa nanao ny veloma rehetraretra izy dia nilaza homba anareo rehetra anie ny fahasoavan'i Kristy Tompontsika izay mankahery anareo. Ary izay indrindra ry Razandry malala, aminareo izao no hametrahako azy, hamaranako ny teniko eto ka hidirantsika amin'ilay harena marina. Raha ny harena tsy marina araka ny efa voalazako teo mahatonga atsika ho voan'ny fakam-panahy, ka araka ny voalazan'i Jesoa hoe matoky amin'ny harena tsy marina ka aoka mba hatoky amin'ny harena marina isika. Inona ary ireo harena marina ireo ? efa fantatrantsika teo fa ny FANAJANA NY AINA ka hahatonga io trano iombonana io hanabe atsika, hampivelatra atsika ka hitondra atsika amin'ny fiadanana. Zay ny mahatonga atsika milaza hoe tsy maintsy volena izay fahafoizana izay. Tsy fitiavana namana intsony no ilaina fa ambonimbony kokoa amin'izao zava-misy ka hanana fahafoizana isika ary mibaribary izany amin'ny famindram-pon'Andriamanitra. Io no hamaranako azy : ny olona mahafoy, mamindra ny fony ary i Jesoa Kristy no mampianatra atsika amin'izay. Mamindra fo amintsika Andriamanitra ary izay ny mahatonga ny Papa araka ny fantatrantsika fa manomboka amin'ny 08 desambra izao hiditra amin'ny jaobily famindram-po isika. Io izany ny fanalahidy ho entintsika mampibaribary an'izay fahafoizana izay. Inona moa ny dikan'izay famindram-po izay ampifandraisiko amin'ny resaka hoe fahafoizan'aina, fambolena an'ilay fahafoizan'aina ho an'ity tany mamintsika ity, ho an'ity tany iombonana dia i Madagasikara ity ka hahatonga an'izay hoe soa iombonana izay eo anivontsika ny famindram-po dia izao : araka izany teny izany dia ny foko no afindrako amin'ny olona eo anoloako, ary izay Andriamanitra, tao anatin'ny fahotana isika, potika izany isika tsirairay avy fa namindran'Andriamanitra ny fo izany hoe ny fon'Andriamanitra no nomeny atsika. Fantaro ry Kristianina ary isika Razandry malala fa ny fo lazaina eto dia tsy ilay taova fotsiny fa ny maha-izy azy manontolo. Ka raha mamindra fo Andriamanitra dia ny mamindra azy manontolo ary mamindra azy satria izy fitiavana. Mamindra ny fitiavany amintsika izy, ary izay ny fahafoizana Razandry malala. Zay no dikan'izao jaobily ny famindram-po izao, Andriamanitra mamindra ny fony amintsika, mamindra ny fitiavany, ka isika koa ary aoka samy hamindra fo dikan'izay mahafoy ny maha-anao anao ho
an'ny hafa, zay no làlana handresena ny fitiavan-tena izay manapotika an'ity trano iombonana ity.

 

Ka amin'izao jobily famindram-po izao, aoka ary voalohany hiaiky isika fa ny fitiavan-tena loatra no manjaka ka nanapotika ny trano iombonana. Rehefa mibebaka amintsika katolika ka mikonfesy, dia alohany hanomezan'ny mompera ny famelan-keloka dia fantaro fa manome asa fivalozana ny pretra. Eto ampamaranana hapetrako amin'ny fahendrenareo fa indrindra ianareo mpanabe sekoly, eo ianao mompera directeur nasionaly ny fanabeazana katolika, apetrako amin'ny fahendrentsika no mandinika an'izay. Inona ary ny asa fivalozana anambarantsika fa mibebaka isika ka hikarakara sy hikolokolo ny trano iombonana ka amin'izay ny harena harena tokoa raha mamokatra, ary mamokatra ho an'ny be sy ny maro. Sosokevitra no ataoko : aoka izay mpianatra rehetraretra eo anivon'ny sekoly katolika eto Madagasikara farafahakeliny mba hamboly hazo dimy isan-taona hanova an'ity trano iombonantsika ity mba hahafahantsika mivelona tokoa. Mba heverinareo moa fa eto Antananarivo fotsiny ny mpianatra amin'ny sekoly katolika misy 50000, raha mamboly hazo dimy dia efa 250 000 zay, mihoatra ny harena rehetra, mihoatra ny ariary rehetra. Ary mitodika aminareo manam-pahefana, mila ezaka koa anefa izay : mila tany ambolena an'izay, mila graine ho volena, mila pépinière. Izay ilay fanabeazana, izay ilay fikolokoloina satria ho fantatra ny dikan'ny hazo satria betsaka ny milaza hoe : anareo milaza hoe mamboly hazo fa be dia be ny ilana ny hazo ary anareo fanjakana no manapaka hazo. Ka izay indrindra mila fanabeazana, manambara ny fibebahantsika izay ary izay ny famindrana fo. Raha mba mahita ny doro tanety isika e dia mainty, zaho aloha mbola tsy nahita demony fa mety mitovitovy amin'io angamba ny tarehin'ny demony, ratsy ary izay ny harena tsy marina izay nefa ianao raha mahita hazo maitso, miramirana ny sainao ary faly ianao. Miala ny nervosité (haromotana) sy ny sisa rehetra. Izay indrindra ary Razandry malala hapetrako amin'ny fahendrentsika tsirairay avy izay, aoka tsy ho resaka fotsiny ity fikolokoloina ity sy ny ezaka ataontsika amin'ny hoe HARENA NY HARENA RAHA MAMOKATRA ARY MAMOKATRA HO AN'NY BE SY NY MARO, tsy maintsy misy dingana atao hanambarantsika fa mandray an-tanana an'izay tokoa isika ka raisintsika izay ezaka izay mba handresentsika an'io harena tsy marina dia ny fitiavan-tena io izay manapotika ny firenentsika, manapotika an'ity Nosy malalantsika ity ka mba ho harena marina tokoa no ampiasaintsika ka amin'izay hifanasoa, hifanatsara tokoa isika dia tanteraka ny hiram-pirenentsika, hiadam-pinaritra isika ary ianareo izao no higoka an'izay. AMEN


TSY MISY MADAGASIKARA FA ISIKA NO MADAGASIKARA

14/11/2015

Laissez votre opinion

Auteur*

E-mail*

url

Commentaires*

Code*