HAFATRY NY EVEKA MALAGASY tamin'ny 10 novambra 2016

 “Izay manao ny marina no hendry ary ny marina no maha olon’afaka antsika”. 

Efa nambara tamin’ny hafatra navoakanay tamin’ny volana Aogositra ny tsy fisian’ny fahamarinana amin’ny endriny maro eto amin’ny firenena ka mamela ratra sy mamotika ny fiainan’ny malagasy. Mbola nampahatsiahivin’ny Papa Fransoa tamin’ny alatsinainy 7 novambra teo indray, fa ny anisan’ny kendren’ny Taonan’ny Famindram-po, dia ny hanasitrana ny ratra rehetra mahazo ny olombelona tamin’ny fijaliana mangirifiry niaretan’ny Zanak’Andriamanitra. Marihina fa ny fankalazana manokana ny taona masina Famindram-po no mifarana fa ny fiainantsika manontolo dia fiezahana hanahaka an’i Jesoa Endriky ny Famindrampon’Andriamanitra. Koa ny Fianakaviana no sehatra voalohany hampitàna ny Fahendren’Andriamanitra loharanon’ny fahamarinana mahavelona. Fianakaviana mivelona ny finoana, sy mampita fahendrena sy fitiavana amin’ny fanabeazana ny faramandimby, manomana ny ho aviny...[......] 

En version française cliquer ici : Message de la conférence episcopale malgache

 

15/11/2016

Laissez votre opinion

Auteur*

E-mail*

url

Commentaires*

Code*