HAFATRY NY FIVONDRONAMBEN’NY EVEKA ETO MADAGASIKARA - NOVAMBRA 2021

 “Ianareo ho vahoakako, izaho ho Andriamanitrareo” (Jr 30,22)

Ho an’ny mpino katolika manerana ny Nosy
Ho an’ny vahoaka malagasy sy ny olona tsara sitrapo rehetra, Homba anareo anie ny Fiadanana!


Ry havana,
Nivory ara-potoana teto Antananarivo izahay Eveka ny 03 ka hatramin’ny 12 novambra 2021 ka manao izao hafatra izao :
1. Voalohany indrindra dia misaotra an’Andriamanitra Mpandahatra ny zavatra rehetra isika noho ny fitiavany sy ny fitantanany ny fiainantsika vahoakany. Volana vitsivitsy lasa tokoa izay, hatramin’ny nahafoana ny hamehana ara-pahasalamana dia nanomboka niverina amin’ny laoniny ny fiainana andavanandro ka mba afaka niaina kely isika. Maneho izany fa tsy mandao antsika Andriamanitra ary tsy tompon’ny teny farany ny valan’aretina Covid 19. Isaorana isika rehetra tamin’ny fanehoam-pinoana sy fitokisana ka nahay nifanohana niatrika ny mafy manoloana ireo fitsapana isan-karazany nolalovan’ny zanak’olombelona....[ Tsindrio eto hamaky ny tohiny......]

18/11/2021

Laissez votre opinion

Auteur*

E-mail*

url

Commentaires*

Code*