JOBILY FAHA 100 TAONA NY MISIONAN'NY VOHEMAR

"Nataonao inona ny bateminao ?" lohahevitra naroson'i Eveka mandritra ny taon-jaobily 

 Ny taon-jaobily dia taom-pahasovana, taona fampihavanana, taona hanaovana asa soa, taona hanombohana fiainam-baovao omban'ny fanahy masin'ny pentekôty.

 

 

"Nataonao inona ny bateminao ?" lohahevitra naroson'i Eveka Mgr Ramaroson Benjamin mandritra ny taon-jaobily

 

Ny taon-jaobily dia taom-pahasovana, taona fampihavanana, taona hanaovana asa soa, taona hanombohana fiainam-baovao omban'ny fanahy masin'ny pentekôty. Efa nanomboka tamin'ny oktobra 2014 no niomanana ny taon-jaobily ny misiona ao Vohemar, ka dingana efatra no entina niomana tamin'izany :

- ny telovolana voalohany : Eglizin'ny Vohemar miaraka mivavaka, vavaka manokana ventesina isan'andro ho fangatam-pitahiana mba ho pentekôty vaovao ny misionan'ny Vohemar

- ny telovolana faharoa : Eglizin'ny Vohemar mandalina ny finoana, hahazo tsara ny dikany hoe "fanirahana", ny sakramenta, ary ny maha-kristianina

- ny telovolana fahatelo : Eglizin'ny Vohemar mandray an-tanana ny Eglizy

- ny telovolana fahefatra : Eglizin'ny Vohemar mankalaza ny taon-jaobily am-pinoana

 

Feno zato taona tokoa ny misiona, 1915 - 2015, tonga izany fankalazana izany noho ny fahasoavan'Andriamanitra. Azo ambara fa  ny misionan'i Vohemar dia teraka noho ny asa nataon'ireo misionera zezoita,  i masindahy Jacques Berthieux, mompera Bruguière, Chenay, Leroy, nandritra ny 13 taona nitory ny vaovao mahafaly tamin'ny tapany avaratra antsinanan'ny nosy ka hatrany Iharana (Vohemar), 1885 ka hatramin'ny 1898....Maro ny ezaka sy ny asa mafy nataon'ireo Misionera nifandimby tao, teo ireo pretra spiritains, diocesains ary ny redemptoristes izay misahana ny misionan'ny Vohemar nanomboka ny taona 1972...
Azo lazaina fa vao misandratra ny fivavahana ao Vohemar, koa manentana antsika rehetra mba hitondra am-bavaka ny misiona mba ho tena pentekôty vaovao tokoa amin'izao taon-jaobily izao, ankinintsika amin'Andriamanitra miaraka amin'i Masina Maria fa indrindra amin'izao volan'y raozery izao.

 

Ampahafantarana antsika amin'ny fomba tsotsotra ny momba ny misiona sacré-coeur ao Vohemar : tsindrio eto hahazoana ny tantara voafintina

 

 

 

misiona vohemarmisiona vohemar [552 Kb]
17/11/2015

Laissez votre opinion

Auteur*

E-mail*

url

Commentaires*

Code*