HAFATRA HO ANAREO TANORA KATOLIKA TEO AM-PAMARANANA NY JMJ-MADA 8 FIANARANTSOA

Misaotra Zanahary mandrakariva isika fa tanteraka soa aman-tsara ny JMJMADA-8 na dia teo aza ny zava-manahirana isan-karazany nodiavina, ny fahasarotan’ny fanomanana rehetra indrindra ho an’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa zay nandray.

 

« Sambatra ny madio fo, fa hahita an’Andriamanitra izy » (Mt 5,8).

Ry Tanora malala manatrika etoana, sy ianareo tsy afaka tonga eto,                 

Misaotra an’Andriamanitra mandrakariva isika fa tanteraka soa aman-tsara ity JMJ-MADA 8 taty Fianarantsoa ity na dia teo aza ny zava-manahirana isan-karazany nodiavina, ny fahasarotan’ny fanomanana tany amin’ny isan-diosezy indrindra ho an’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa zay nandray. Fa na teo aza izany dia tsapa ny fahavononan’ny tsirairay handray anjara ary niezaka hadio fo satria te hahita an’Andriamanitra.

 

Isaorana manokana ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa manontolo tarihin’ny Arseveka Mgr RABEMAHAFALY Fulgence, nanaiky sy nikarakara niaraka tamin’ireo Vaomiera maro mpanomana sy ny Vovonan’ny Tanoran’ny Diosezy. Isaorana indrindra ireo Mpitondra Fanjakana foibe, ny tompon’andraikim-panjakana teto Fianarantsoa, indrindra ianareo mponin’ny Fianarantsoa manontolo nahay nandray vahiny. Isaorana toa izany koa ianareo tsara sitra-po tsy an-kanavaka tamin’ny tolo-tànana maro (vola, trano, fitaovana, fitanterana…..), ny fanamafisam-peo, ny serasera (TVM, RNM, RDB, Radio TSIRY, ny Telma, ny airtel….). Isaorana ianareo mpitandro ny filaminana rehetra nanampy sy nanamora ny fanatanterahana izao fihaonam-be izao. Hamaky ny tohiny, tsindrio eto

 

 

 

lettrecemjmjlettrecemjmj [499 Kb]
17/11/2015

Laissez votre opinion

Auteur*

E-mail*

url

Commentaires*

Code*