Niara-nivory teto Antsiranana, renivohitry ny Arsidiôsezy, izahay solontena nirahinareo avy amin’ny lafivalon’ny Diôsezy, ny 3-8 oktôbra. Fivoriana notarihin’i Son Exc. Mgr Benjamin Marc Ramaroson arseveka ntsika, niarahana tamin’ny Tolagna (Pretra, Relijiozy, Lahika) miisa 139, nandalinana ny lohahevitry ny sinaody faha 7 : EGLIZY OLO, VELOMIN’NY BATEMY, MIOMBONA, MIARA-DALANA, MANDRAY AN-TANANA, IRAHINA HO MISIONERA, TABERNAKLA VELONA ka amin’izao fijanonana faharoa izao dia ny « Fianakaviana, Eglizy kely miaro ny tontolo iainana mba ho ho hisy ny fivelaran’ny maha-olona » izay nofakafakaintsika manokana nandritra ny taom-pikatrohana 2022-2023
Niara-nahatsapa izahay mpiara-midinika ary tonga saina ny amin’ny loza mananontanona ny Tranobe iombonantsika araka ny tenin’ny Papa : « Potika ny tany, ny tranobe iombonana dia potika, miharobaka vokatry ny fitondrantena tsy amim-piheverana… Noho ny fahalotoan’ny rivotra, noho ny tontolom-piainana mikololoto, noho ny fiovaovan’ny toetr’andro dia potika ny tranobe iombonana ka miha ratsy ny fiainan’ny taranak’olombelona… » (Ansikilika Laudate sì Hankalzaina Ianao nosoratan’i Papa Fransoa) Ny tena loza dia misy mamono eritreritra ka mamoboly kolotsaina tsy miraharaha ary mampirisika mamotika aza… zary kolotsaina mikolokolo famonoana, fandatsahan-drà (Jereo hafatry ny Eveka.18 Mai 2023)
- 1. Voka-dratsin’ny fanimbana ny tontolo iainana
Tranobe iombonana manao akory ny lovain’ny taranaka raha izao no mitohy ?
Antontanisa vitsivitsy manampy handinika sy hahatonga saina antsika. Tamin’ny taona 1950, rakotr’ala ny 42% n’i M/kara ; tamin’ny 1990, 23% ; tamin’ny 2005, 21% ; tamin’ny 2020, 12% ; amin’ny 2030, 2%. Raha izao no mitohy, amin’ny 2050, lany tamingana ny ala eto Madagasikara. Haintsika anefa ny fiantraikan’izany amin’ny fiainan-janak’olombelona : ny fiovan’ny toetr’andro, tsisy mahalena, haintany mahatsiravina, ny kere vokatry ny tsy fisian’ny rano. Zany ve dia tsy ampy hahatonga saina sy mba hampandinika atsika ? Mbola hatoritory manana aretina ve isika nefa efa alohalika ny ranom-bary ? « Lentigny agnandraim-boay atsika, tsara vintagna vao afaka », raha izao no mitohy..
Ka inona no hatao ?
Mibebaka…
Tsy afa-mipetraka amin’izao atsika fa tsy maintsy mametraka rafitra sy paik’ady enti-miatrika an’izany. Sao mba làlana ahatafavoahana amin’izany izao sinaody izao ? Sinaody midika “miara-dalana, miara-dia…”. Mila fanarenana maika ny fiainantsika manoloana ny fifandraisana amin’ny zava-boaary, ny amintsika samy olombelona, ny amin’Andriamanitra. Zay no nahatonga anay hanoratra ity taratasy ity ho antsom-pibebahana mitaky fiovam-penitra mahery vaika, fiovana ifotony, ho antsika mianakavy ary azo lazaina maika sy tsy azo idifina.
Misy ny fibebahana andrasana amin’ny tsirairay, amin’ny fianakaviana, amin’ny mpiara-belona, amin’ny Eglizy, amin’ny mpitondra fanjakana mba hananantsika tontolo milamina feno fihavanana, ilay soatoavina matimatesantsika. Maro amintsika ny miandry tolorana, tsy te-hivaky loha, tsy te-hiova, tsy te-hihavao hiala amin’ny hevitra lomorina. Mampametra-panontaniana ny amin’ny vavaka, ny fankalazana, ny fandraisana sakramenta ataontsika, ny fihetsika asehontsika amin’ny fiainana andavanandro izay feno habibiana, ady saritaka, fifandrafesana sy fifankahalana, amin’ny samy kristianina lahika, amin’ny lahika sy ny pretra, amin’ny pretra samy pretra. Tsy maha ambo loha ny maha-katôlika amin’ny fiatrehana ny zava-misy.
Fiovan’ny fomba fisainana sy fandraisana an-tànana mavitrika no andrasana amintsika mba handresena ny demonin’ny hakiviana sy ny hakamoana. Diôsezy manao ahoana no avelantsika ho lovain’ny taranaka faramandimby.
Ndao isika hanao hetsika mivaingana, hita maso sy azo tsapain-tànana amin’ny fampihavanana indray amin’ny zava-boaary. Samia mahatsiaro tena amin’ny asa miandry. Atombohy amin’ny zavatra madinidinika mety ho vita : fanadiovana sy fanatsarana ny tontolo manodidina toy ny tokotany sy ny zaridaina, fanaovana lava-pako sy toerana fivoahana, fanaovana vôvon-drano, fahaizana mitsitsy amin’ny zavatra ampiasaina, fialana amin’ny fandaniana sy fanaovana gaboraraka, tohizina ny fambolen-kazo 6 isan-taona sy ny fanaraha-maso ny voavoly, fiarovana ary fananganana valan-java-boaary, fitazonana ny teny nomena fa satria « ny toky fitaka fa ny atao no hita ». Aza lany andro manilika amin’ny hafa fa aoka samy ho tonga saina ho tompon’andraikitra. « Mpiandry omby vola vita atsika manoloana ny Tranobe iombonana : tsy tompony fa mpamerin-doha ». Fanamby lehibe no miandry sy hanentanana antsika ka tsy vitan’ny olon-drery, tsy vitan’ny vavabe sy ny tôkony, tôkony. Hanampy ny olona rehetra ho tonga saina no antony anoratana saingy tsy miandry ny ôlo jiaby tonga saina vao hanao zavatra..Koa samia mba mahay maka lesona amin’ny tranga lasa.
- 2. Ezaka tsy maintsy atao vaindohan-draharaha (plan d’action) :
Fantaro fa atsika no tsy maintsy manarina an’izao tontolo iainantsika izao. Ilaintsika ny mandalina ny soatoavina malagasy izay nampirindra ny fiarahamonina. Nisy fady najain’ny Ntaolo ary noraisiny ho paik’ady nanampy azy hanaja ny fizokiana, hanaja ny tontolo iainana no nentiny nanabe taranaka. Misy kosa anefa fomba sasany hita ho lany andro toy ny fady mampiasa WC ka mametraka maloto eny amin’ny toerana tokony mba ho fitsangantsanganana toy ny amoron-dranomasina. Tsarovy fa olo afaka miova sy mihavao entanin’ny Fanahy Masina atsika satria olon’ny finoana, olon’ny fanantenana, olon’ny fitiavana.
Tsy hiseho hianakendry ka hibaiko be fahatany amin’ny tokony hatao amin’ny toerana rehetra any izahay. Samia mba tonga saina ka mahita ny tokony hatao. Zay koa no làlana entintsika miady amin’ny fahantrana diso tafahoatra sy ny fiainana tsizarizary. Araraotinay ny mampahatsiaro fa ny fampandrosoana ny olona amin’ny lafiny rehetra ary lovain-jafy dia mifototra amin’ny fanabeazana. Ny fikatrohana anatin’ireo vaomiera sosialy, sekolin’ny fiainana dia fitaovana lehibe amin’ny famahana ireo olana maro voatanisa teo. Koa alao hery ary mitsangana. Ny tsy lavorary no mety hihena fahatsarana fa ny marina tsy miova na oviana na oviana. Ny maharitra tsy maintsy mahita ny farany.
Mitodika amin’ireo manam-pahefana manokana :
Miangavy dia miangavy anareo, hiara misalahy sy hanao soroka miara milanja aminay amin’ny fiarovana ny tranobe iombonana, amin’ny alalan’ny fanamafisana ny lalàna manan-kery, ny famaizana ireo mihoa-pefy, ireo mamono eritreritra, ireo tsy maty manota. Milaza miara mahita izahay fa misy tompon’andraiki-panjakana sasany manome vahana ny mpanohariana nohon’ny fiarovana seza, nohon’ny tsy fahatantesana mena miraviravy, nohon’ny fahatahorana sy fitavozavozoana handray andraikitra. Maniry koa izahay raha maniry ny mba hisian’ny fiaraha miasa matotra amin’ny eglizy sy ny fitondram-panjakana : fifaninanana hamboly hazo, fampielezana ny voka-tsoa azo avy amin’ny fambolen-kazo, fanomezana fampiofanana, famerana ny fahazoana manapa-kazo.
- 3. Fampianaran’ny eglizy momba ny tontolo iainana :
Sao variana loatra amin’ny ambany maso isika ka manome vahana ny ara-ekonomika ihany. Tsy azontsika atao ny manao tsinontsinona ny bitsiky ny Fanahy Masina. Miantso an’Andriamanitra hoe Ray isika raha mivavaka, ka aza adino fa Izy Andriamanitra Ray no nanome saina antsika hiombona amin’ny zavaboaary, ny Eglizy mpizara fahasoavana dia manana vina mazava, tsy mangina manoloana ny tsy rariny. Ny tenin’i Md Paoly manao hoe : « Izay tsy miasa aoka izy tsy ihinana » dia manambara fa ny asa dia anisan’ny mamaritra ny maha olona. Mpiara-miasa amin’Andriamanitra, miara manohy sy mandavorary ny zavaboaary ny olombelona.
Eto am-pamaranana, raisinay ho fanovozan-kery ho antsika mianakavy ny tenin’i Md Paoly manao hoe : « miezaha ho lavorary, mifanalà alahelo, miraisa hevitra, mihavàna tsara, dia ho eo aminareo ilay Andriamanitra loharanon’ny fitiavana amam-piadanana…. Homba anareo anie ny fahasoavan’i Jesoa Kristy Tompo sy ny fitiavan’Andriamanitra Ray ary ny firaisana amin’ny Fanahy Masina »(1kor 13, 11.13)
Ankinintsika amin’i Masina Maria Renin’ny Eglizy sy Md Josefa Ray Mpiaron’ny Eglizy ary Lucien Botovasoa Olts Modely sady Mpiaron’ny Mpanabe rehetra ny ezaka ataontsika rehetra « hiaro sy hikolokolo ny tontolo iainana » ka hahatonga antsika hifampitsimbina sy hifanasoa hikatsaka ny soa iombonana. Lohahevitry ny fijanonana faha 3.
Natao teto Antsiranana ny Asabotsy faha 07 Oktobra, 2023 fahatsiarovana Notre Dame de Rosaire
Amin’ny anaran’ny Ekipa Mpanomana ny Sinaody sy Mpandray anjara solontena avy amin’ny lafy valon’ny diosezy 139
Anio asabotsy faha 07 octobre 2023, fetin’i Masina Maria Mpanjakavavin’ny rozery
Manao Sonia:
+ Mompera Eveka RAMAROSON Benjamín Marc, cm
Son Exc Benjamin Marc RAMAROSON