MANOHINA NY FON’I JESOA NY FANGIRIFIRIANTSIKA MALAGASY
“Onena i Jesoa nahita ireto vahoaka be nijaly sy nafoy toy ny ondry tsy misy mpiandry” (Mt 9,36)
Ho an’ny mpitondra sy ny vahoaka mpiray tanindrazana tsy ankanavaka ary ny kristianina katolika
Ho aminareo anie ny fiadanana!
01. Izany fiadanana nomen’i Jesoa ny mpianany sy ataontsika vavaka ao amin’ny hiram-pirenena izany no entinay miarahaba anareo sy ifankaherezantsika hatrany. Isaorana mandrakariva Andriamanitra noho ny fitantanany antsika mianakavy. Tonga amin’ny dingana farany ny fankalazana ny Sinaodin’ny Eveka momba ny “Eglizy miara-dia”. Tontosa soa aman-tsara ny Kongresy eokaristika nasionaly natao tany Antsiranana. Anisan’ny niarahantsika nanamarika ity taonan’ny vavaka ity iny hetsika lehibe iny.....[.......]